airtel

Actualités

17-févr-2025

FANONDRANANA BAOBAB NAINS

12 gony indray no sarona tany Antsohihy

Sample post image

Mirongatra ny fanondranana Baobab nains na ny sezan-jazavavy eto amintsika.

17-févr-2025

Taorian’ny nahatraran’ny mpitandro ny filaminana ireo tany amin’ny lalam-pirenena fahafito nentin’ny taxi-brousse saika haondrana dia 12 gony indray no sarona tany Antsohihy Faritra Sofia. Ny faran’ny herinandro teo no nahatrarana izany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nalaina avy tao amin’ny faritra arovana Andriamangirana izy ireo tombanana saika haondrana any ivelany ihany koa. Teo amin’ny sakana miazo ny distrikan’i Mampikony no nahatrarana azy ireo izay voatery naverina haingana any amin’ny toerana misy azy mba tsy ho faty. Ny tompon’andraikitra misahana ny tontolo iainana any an-toerana no nandray an-tanana ny fikarakarana azy. Efa natao fanadihadiana kosa ilay olona nitondra izany. Miantso ireo mpiara-miombon’antoka rehetra mba hifanome tanana aminy ny Lehiben’ny Faritra Sofia. Notsiahiviny mantsy fa mahatratra 14.000 ha ny halehiben’ny faritra arovana ao Andriamangirana ka tsy maintsy hisy hatrany ireo mpanararaotra raha vantany vao tsy misy mpanara-maso.
Pati
Legende : Zava-maniry tena arovana ary tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ny Baobab nains !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap