airtel

Actualités

18-nov-2024

FANONDRANANA LODISIA

Niainga tamin’ny sabotsy ny sambo voalohany

Sample post image

Niainga afak’omaly Sabotsy 16 Novambra tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo

18-nov-2024

voalohany nitondra ireo vokatra lodisia haondrana any Eoropa izay milanja 2560 T miaraka amin’ny 107 kaontenera efa voafantina. Anio Alatsinainy 18 Novambra kosa no hiainga ny sambo hafaroa ho any Rosia izay hitondra vokatra lodisia 8560 T miaraka amin’ireo efa voafantina anaty kaontenera miisa 121. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia nitombo ho 4 ny isan’ireo sambo hiala ao Toamasina hitondra ireo vokatra lodisia haondrana any ivelany amin’ity taona ity raha 3 tamin’ny taon-dasa. Manodidina ny 20.000 ka hatramin’ny 40.000 T araka izany ireo vokatra lodisia hivoaka eto amintsika izay mitombo amin’ny ankapobeny. Eo an-danin’izay anefa dia ratsy ny vokatra no sady kely noho ny tsy fahampian’ny ranon’orana sy ny fahanteran’ireo lodisia sasany. Tombanana tsy haharitra hatramin’ny volana Desambra akory araka izany ny vokatra lodisia hiakatra eto an-drenivohitra dia ho lany. Hatreto dia mbola misy mahasahy mivarotra 80.000 Ar ny iray garaba etsy Anosibe.
Pati
Legende : Eto amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no miainga ireo lodisia haondrana mankany ivelany !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap