voalohany nitondra ireo vokatra lodisia haondrana any Eoropa izay milanja 2560 T miaraka amin’ny 107 kaontenera efa voafantina. Anio Alatsinainy 18 Novambra kosa no hiainga ny sambo hafaroa ho any Rosia izay hitondra vokatra lodisia 8560 T miaraka amin’ireo efa voafantina anaty kaontenera miisa 121. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia nitombo ho 4 ny isan’ireo sambo hiala ao Toamasina hitondra ireo vokatra lodisia haondrana any ivelany amin’ity taona ity raha 3 tamin’ny taon-dasa. Manodidina ny 20.000 ka hatramin’ny 40.000 T araka izany ireo vokatra lodisia hivoaka eto amintsika izay mitombo amin’ny ankapobeny. Eo an-danin’izay anefa dia ratsy ny vokatra no sady kely noho ny tsy fahampian’ny ranon’orana sy ny fahanteran’ireo lodisia sasany. Tombanana tsy haharitra hatramin’ny volana Desambra akory araka izany ny vokatra lodisia hiakatra eto an-drenivohitra dia ho lany. Hatreto dia mbola misy mahasahy mivarotra 80.000 Ar ny iray garaba etsy Anosibe.
Pati
Legende : Eto amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no miainga ireo lodisia haondrana mankany ivelany !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny