airtel

Actualités

22-sept-2023

Fanondranana vehivavy

Lehilahy roa nadoboka am-ponja vonjimaika

Sample post image

Lehilahy roa 43 sy 54 taona no nidoboka am-ponja rehefa tratra teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ,

22-sept-2023

nikasa handefa vehivavy Malagasy dimy ho any amin'ny tany Arabo hiasa an-trano. Rehefa hita hoe : tsy nisy "billet retour" ny vehivavy dimy, izay 23 taona ny zandriny indrindra ary 31 taona ny zokiny indrindra nikasa hiondrana tamin'ny sidina makany Dubaï, dia nosakanan'ny Polisy miasa eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Nisy lehilahy roa nosamborina izay niaraka tamin'izy ireo koa. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa saika ho alefa any amin'ny tany Arabo izy ireo. Fantatra tamin'ny izany fa ao Dubaï izy ireo no misy mitsena ka avy ao no alefa any Oman, Koweit na Arabie Saoudite harakaraky ny mpampiasa. Vola 5. 000. 000 Ar isanisany no nalain’ ireo lehilahy roa tamin'ireto vehivavy ireto. Avy any amin'ny faritra avaratry ny Nosy izy ireo ary vehivavy teo amin’ny 20 isa teo no niaraka nalaina avy any ka nampiantranona teto Antananarivo. Mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika izao raharaha izao. Tsara ny manamarika fa rehefa tsy misy ny tolotr'asa mazava, tsy misy ny fifanarahana arak'asa mazava sy nandalo ny tompon'andraikitra eto Madagasikara dia tratran'ny fanararaotana foana ireo olona mikasa hiasa any ivelany na dia efa fantatra aza ny jaly mahazo azy ireo any. Izany indrindra no antony hiarovana azy ireo tahaka izao ka hamongorana ireo mpanao ratsy.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy ratsy fanahy !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap