airtel

Actualités

03-avril-2023

Actualités

Fanorenana fotodrafitrasa Vidiana lafo ny tsy fandraisan’andriakitra sy kolikoly

Sample post image

Tokony hampieritreritra sy hahatonga saina ny rehetra indrindra fa ny tompon’andrakitry ny kaominina sy ireo

03-avril-2023

manampahefana isan-tsokajiny ny zava-nitranga teo Antananarivo ny faran’ny herinandro teo. Olona 9 indray namoy ny ainy tao anatin’ny 48 ora noho ny trano nihotsaka sy nirodana. Efa nilaza ihany moa ny tompon’andraikitra sasany hoe nahitana tritra ilay trano teny Behoririka ary efa nisy fotoana nitenenana hoe mila arodana.Tsy tontosa anefa izany, fa mbola nisy olona nonina ihany tao ary dia iny nitranga iny ny loza. Maro ireo toerana tsy tokony hisy fanorenana no misy tahaka ny hoe trano ambony fefiloha, dia mitranga ny loza avy eo. Mipetraka ny fanontaniana : manao tsara ny asany sy hentitra amin’ny fampiharana ny lalàna tokoa ve ireo tompon’andraikitra sa sanatria tafiditra anaty serasera sy kolikoly dia miteraka fahafatesana olona ilay izy avy eo.Misy ny drafitra fanajariana ny tanàna, nahoana no tsy najaina sy nampiharina io ; rehefa mijery ny fanorenan-trano eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina dia tena talanjona fa samy manao izay endrika sy refy tiany, sady tsy misy endrika intsony ilay tanàna no varavarana misokatra amina loza ilay fanorenana gaboraraka mety tsy nisy fahazoan-dalana ara-dalàna akory . Samy manana ny eritreriny sy ny tiany amin’ny zavatra ataony, ary izay indrindra no ilàna ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana sy ny manampahefana mba handamina sy handrindra .Manoro, mampianatra ny lalàna, manabe ny vahoaka, mitaiza ny olona mba hanaja ny lalàna sy ny fenitra fa tsy hoe samy manao izay tiany dia fiarahamonina miaina anaty gaboraraka no misy. Mifampitsetsetra fotsiny avy eo rehefa misy loza, fa ahoana ny fanadihadiana lalina…satria misy tompon’andraikitra amin’ireny zava-nitranga ireny. Ary tokony ho lesona ho an’ny rehetra fa misy antony matoa misy ny teny hoe manarapenitra fa tsy natao hirahira anaty kabary fotsiny akory izany.Tena vidiana lafo ny tsy fanajana lalàna, ny tsyfandraisana andraikitra ara-potoana sy ny kolikoly amin’ny fanorenana sy fananganana fotodrafitr’asa ka tokony samy handray ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay sy ny isan-tsehatra.
RTT

 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Simba ny fitaovana, mihena ny angovo, ela vao feno ny vatoaratra, potika ny fihariana.

Card image cap
02-oct-2023

Zava-doza tsy roa aman-tany no nataon’ny lehilahy iray tany Toamasina izay nahasahy nandatsaka

Card image cap
02-oct-2023

Lasa fialam-bolin’ireo vahiny tonga tany amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny rehefa faran’ny herinandro tahaka izao ny mitifi-borona.

Card image cap
28-sept-2023

Teo am-pamaranana ny boky soratako mikasika ny tsiahin'ny taona fitopolo sy ny manodidina azy ary koa ny

Card image cap