airtel

Actualités

21-sept-2023

Fanosoram-potaka amin’ny Facebook

Mialokaloka ao anaty fitondrana ireo atidoha…

Sample post image

Mihazakazaka ny endrika fanalam-baraka sy fanosoram-potaka atao an’ireo olona tsy dia mitovy fomba fijery politika amin’ny fitondrana.

21-sept-2023

Lasibatra avokoa na olon-tsotra, na mpisintona lakolosy, na mpanao politika, na kandida ho Filoham-pirenena,… Maromaro ireo pejy manao izany, fa isan’ny tena mampikolay ny rehetra ny Serasera Mada. Omaly izao, ny kandida Tahina Razafinjoelina indray no nanaovana fanosoram-potaka mamoa-doza hoentina mampiady azy amin’ny Kandida Marc Ravalomanana, ka niresahana finoana, “framassonnerie”, fanapoan-tsampy,… “Miala tsiny aho Tompoko fa dia tsy maintsy hametraka fitoriana noho ny lainga misy. Izaho dia tsy miditra finoana sy fiainana manokana fa vina no resahana”, hoy I Tahina Razafinjoelina. Tsy vao sambany no nisy fanalam-baraka sy famadihan-dresaka nataon’io Pejy mpanohana fitondrana io, ka anisan’izany I Marc Ravalomanana, ireo kandida miisa 11, Foutsie Tsotsy, Dally Randriantefy, Tahina Razafinjoelina,… Efa maro ny fitoriana, ka anisan’ny nanao izany I Foutsie Tsotsy efa volana maro izay fa tsy nisy valiny, ary nisesy ny fandotoana olona samihafa, ary ireo tsy mitovy firehana amin’ny fitondrana no tena lasibatra. Mialokaloka ao anaty fitondrana tokoa ve ka azo atao daholo izao fametavetana sy fanalam-baraka ny tsy mitovy firehana? Tena hoentina amin’ny kolontsain’ny tsimatimanota ka zavatra mirefarefa amin’ny tany tena mariky ny fahambanian-tsaina no hitezana ny olona? Efa betsaka izay fitoriana nandeha tany amin’ny Sampana misahana ny heloka an’habaka na “Cybercriminalité” izay fa toa tsy dia nahitana valiny firy aloha ka asa amin’ity indray mitoraka ity satria tsy olona iray no hitory fa maro? Niaraha-nahita ny fanenjehana sy fanagadrana olona izay naneho hevitra noho ny tsy fitovian-kevitra amin’ny fitondrana: any am-ponja nohelohina 44 volana I Berija Ravelomanantsoa, nohelohina 5 taona any am-ponja I Beharinirina Marcelin rehefa notondroina ho niantso hetsi-bahoaka tsy nahazoana alalana sy nandrahona hamely ny zanaky ny filoham-pirenena tamin’ny fanainga lavitra, nosamborina sy nalefa any am-ponja I Stan’ley Ramarivelo efa volana maro izay ary tsy misy fitsarana eny fa hatramin’ny reniny aza lasibatra nesorina tamin’ny asany,… Samy miandry ny rehetra fa efa mandeha ny dingana samihafa ataon’ireo lasibatra. “Ilay administratery an'ny "Serasera Mada" aloha dia tsy maintsy miakatra tribonaly cybercriminalité na dia matanjaka mpiaro aza. Efa maro izahay ankehitriny no mitory an'ireo mpamafy lainga ao ireo”, hoy I Dally Randriantefy isan’ireo lasibatra. Efa fantampatatra rahateo ireo olona voalaza fa ao ambadik’ireo resaka fanosoram-potaka ireo tsy mitovy firehana politika amin’ny fitondrana ka andrasana ny tohiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap