airtel

Actualités

03-juil-2026

Fanotorana voalaza

ho tsy ara-dalàna Fiara 13 tratran’ny PRRM

Sample post image

teny amin’ny By Pass

03-juil-2026

Fiarabe 13 nitondra tany hanaovana fanotofana no nosakanan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny alin’ny 01 jolay 2026 teo, teny By Pass. Sendra nandalo izy ka najanony avokoa ireo fiara. Nidina teny an-toerana omaly vao maraina ny Filoham-panjakana sy ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany, ny Tale Jeneralin’ny APIPA, niaraka tamin’ny Ben’ny Tanànan’Alasora. « Niniàna najanonana tamin’ny sisin-dàlana mba hahafahana manao fanamarinana ampahibemaso ny ampitso maraina sy hahitan’ny vahoaka mivantana ny zava-misy ireo fiara be ireo, hoy ny PPRM. Nohamafisiny fa “tsy tokony hisy ny fanotofana tany amin’io toerana io raha tsy manaraka ny lalàna sy ny fepetra manan-kery.” Nogiazana ny fiara, naato ny asa, tsy homena fahazoan-dalana hanorina ilay olona, ampandoavina lamandy mifanaraka amin’izany ary ho samborina ny tompon’ny fiara sy ny tompon’ny asa fanotofana. Fanotofana tsy ara-dalàna izany no nandeha, raha raisina amin’io. Raha ny fanamarihana dia efa fotoana naharitra no nisy fanotorana ka tsy nisy nahita ve sa nisy manam-pahefana tao ambadika ? Tena tsy nisy fahazoan-dàlana fa fanotorana amboletra ? Matoa nandeha ny ambara fa fanotorana tsy ara-dalàna dia ahiana ho nisy mpiaro sy antoka avy amina manam-pahefana ka hipoitra ve izany ? Hivoaka ny anaran’ireo rehetra tondroina fa nanao fandikan-dalàna ? Raha tsiahivina, ny didim-panjakana laharana 2022-241 no nametraka ny fandraràna ny fanotofana tany ao anatin’ny faritra “Grand Antananarivo”, noho ny loza ateraky ny tondra-drano sy ny fanorenana tsy ara-dalàna. Natao izany mba hiarovana ny renivohitra amin’ny fiakaran’ny rano sy hanakanana ny fanorenana amin’ny toerana tandindomin-doza. Voarara tanteraka ny fanotofana tany amin’ny toerana miangon-drano sy amin’ny toerana tsy azo hanorenana, saingy azo atao kosa ny fanotofana amin’ny toerana azo hanorenana rehefa misy fahazoan-dalana ofisialy. Raha latsaky ny 1000 m² ny tany dia ny Kaominina no manome izany, raha mihoatra kosa dia ny Minisitera. Ny taona 2026 anefa dia nisy ny fanalefahana. Nolaniana nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra, ny 28 aprily teo ny didim-panjakana momba ny fandinihana sy fanadihadiana ny fangatahana fahazoan-dalana hanao asa fanotofana tany (remblai) sy fanalana tany (déblai). Tafiditra tao anatin’izany ihany koa ny fitaterana ireo akora mifandraika amin’izany ary ny sazy amin’ny tsy fanarahan-dalàna atao ao anatin’ny faritra iasan’ny APIPA.Nanomboka teo, dia azo atao indray ny fanotofana amin’ny toerana tsy miangon-drano sy azo hanorenana, saingy tsy maintsy mandalo fitsirihana sy fanadihadiana ny fangatahana. Ny APIPA no manara-maso sy mitaky antontan-taratasy amin’ireo mpanototra tany sy mpitatitra, ary misy sazy henjana ho an’ireo tsy manaraka ny lalàna, toy ny fanakanana fiara, famonjana ary fandraràna tsy hanao fanotofana intsony. « Tsy natsahatra ny fampiatoana ny fanotofana tany, fa nisy ny fanalefahana, hoy ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, Lylyson Renée de Rolland tamin’izany. Hanao ahoana ary izany ny tohin’ity afera ity ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap