airtel

Actualités

18-oct-2023

Fanovana ara-nomerika

ny oniversite Hiara-hiasa amin’ny SPARKSO ny MESUPRES

Sample post image

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanovana ho nomerika ireo oniversite rehetra manerana an’i Madagasikara.

18-oct-2023

Tontosa soa aman-tsara afak’omaly Alatsinainy 16 oktobra ny fifanaovan-tsonia mirakitra fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES) sy ny SPARKSO, orinasa izay manana traikefa manokana misehatra amin’izany tontolo nomerika izany. Fifanarahana maneran-tany eo amin’ny roa tonta no natao tamin’izany, maharitra telo taona, izay mikendry ny hanova tsikelikely ny fampianarana amin’ny teknolojia nomerika. Tonga nanatontosa io fifanaovan-tsonia io ny Minisitra ny fampianarana ambaratonga ambony ny Profesora Assoumacou Elia Béatrice an-daniny sy Atoa Ghilas Benkhenou, Tale Jeneralin'ny orinasa SPARKSO an-kilany. Tsiahivina moa fa efa an-taonany maro no nirarian’ireo mpianatra eny anivon’ny oniversite ny tokony hanaovan’ny fanjakana tahaka izao saingy izao ireto farany vao tonga saina. Efa azo lazaina ho tara ihany anefa izany satria anisan’ny tetikasa efa tafiditra ao anatin’ny asa hotontosain’ireo kandida sasany hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ka anisan’ireny ny kandida laharana voalohany Tahiana Razafinjoelina, izay sady mpampianatra rahateo.
Pati
Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap