airtel

Actualités

17-juil-2023

Actualités

Fantsona vaky teny Ambatoroka Tondra-drano andro ririnina ny arabe

Sample post image

Nisy fantson-drano vaky indray teny Ambatoroka ny sabotsy teo, raha ny fampitam-baovao voaray. Nahatonga fahaverezan-drano

17-juil-2023

betsaka tamin'ny arabe hatreny Ambohipo sy ny manodidina izany. Tsy maintsy naato aloha vokatr’izay ny famatsian-drano tamina toerana maromaro hahafahana mitady ilay fahavakisana sy miroso amin’ny fanarenana. Voakasik'izany Ambatoroka, Ambanidia, Ankazotokana, La haute, Andohalo, Ambohimitsimbina, Mandrosoa, Ambohijatovo, Faravohitra , Faravohitra ambony, Ambohidahy, Ambatonakanga, Ambohitsorohitra, Ambatovinaky, Antaninarenina,Amboasarikely, Isoraka, Ampasamadinika, Tsaralalana, Analakely, Isotry Fiata, Ampasamadinika, Ankaditapaka , Amparibe, Tsimialonjafy, Ambondrona, Tsiazotafo, Ambodifilao, Behoririka, Soarano,Andravoahangy tsena, Ambatomitsangana, Ampandrana, Ankadivato, Antaninandro, Mahavoky, Anjanahary, Ambatomainty, Manjakaray, Amboditsiry, Tsiadana, Ampasanimalo, Andohamandry, Cité des profs, Campus, Ambolokandrina, Ankatso , Cité Ambohipo, Antsobolo, Andraisoro, Fort Duchesne, Ambatokaranana, Ampanotokana, Ambohidahy, Ampasampito, Betongolo, Ambohitrakely, Soavinandriana, Besarety, Avaradoha, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Naverina hatrany moa fa efa tena tranainy ny fitaovan’ny JIRAMA. Hita ho isan’ny antony nahatonga olana matetika teo amin’ny fahatapahan’ny herinaratra hatramin’izao izany ary dia io miha mihombo koa ankehitriny ny olana eo amin’ny famatsiana rano. Saika naharaisana fitarainana fahatapahan-drano indray nanomboka ny marainan’iny sabotsy iny ny ankamaroan’ireo faritra voatonona teo. Inona moa izany no tena sakana tsy hamahana ny olana?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap