airtel

Actualités

30-mars-2023

Actualités

Faramalala Ratsaratoetra – mpahaitantara “Miteraka fitiavan-tanindrazana ny fifehezana tantara”

Sample post image

Nisy fahafatesan’olona maro sy fahasimbana ara-materialy ny 29 martsa 1947, hoy ny mpahaitantara, Faramalala Ratsaratoetra. Raha ny tombana na “thèse” nisy, hoy izy, dia maromaro.

30-mars-2023

Ao ny hoe andraikitra fenon’ny MDRM sy ny solombavambahoaka malagasy tamin’izany io. Ao koa ny hoe mety zavatra nomanin’ny mpanjanaka io handotoana ny MDRM sy mpitolona tia tanindrazana. Ny fahatelo dia hoe tena tolo-panafahana sy tolom-bahoaka io. Eo izany isika no mila mijery hoe inona marina moa ilay 29 martsa? Amiko dia ny taona 1967 no nanapa-kevitra ny fitondrana malagasy hoe Aleo amin’izay ho tsarovana ilay izy satria nisy olona maro maty. Rariny sy hitsiny raha ho tsaroana ireny olona ireny sy ny zavatra simba tamin’izany fotoana izany. Zava-dehibe ny tolo-panafahana satria fahatsiarovana ny hetsika fanehoana fitiavan-tanindrazana nasehon’ireo zoky raiamandreny nanoloana ny fitondran’ireo mpanjanaka. Fakana lesona sy fanoitra enti-mamerina indray ny ambom-pom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana io. Mba hahatsapan’ny taranaka aty aoriana izany dia mila velomina indray tantaram-pirenena amin’ny alalan’ny fanomezana lanja izany. Tokony atao anaty fandaharam-pianarana sy mila ampahafantarina bebe kokoa amin’ny antsipirihany ny 29 martsa. Tokony ampiasaina ny haino vaky jery amin’ny resaka fanentanana sy fanabeazana ny tanora na any amin’ny garabola mihitsy aza hoe inona ilay 29 martsa dia nitondra inona tamintsika ka inona no tokony ataontsika? Tokony atao maharitra ny fanamarihana azy. Nisy finiavana teo amin’ireo zokintsika fa nisy fikotrehana nataon’ny mpanjanaka koa tsy haha lavorary iny tolom-panafahana iny. Harem-pirenena ny tantara. Fanoitra ho an’ny fampandrosoana koa satria ny fifehezana azy dia miteraka fitiavan-tanindrazana ho an’ny olompirenena. Rehefa tia tanindrazana ianao dia tia ny tenin-drazanao. Lasa manohitra ho azy ny kolikoly. Lasa mandala ny fahamarinana sy fahendrena malagasy ho azy. Lasa miverina an-doharano isika. Mandala ny soatoavintsika fa tsy hoe akory soatoavina vahiny no fanahy iniana apetraka eto dia maty ho azy ilay fifampitsimbinana, fifanajana, fifankatiavana, fihavanana izay namelom-bolo foana ny fiarahamonina malagasy. Tsy ny kolontsaina vahiny mihitsy fa malagasy no tokony iainana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap