farihin’Andraikiba. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ankizivavy kely mpinamana izy ireo ka 11 taona ny iray raha 9 taona kosa ny iray. Samy tsy hita popoka teny amin’ny manodidina an’Andraikiba izy ireo ny Alahady folakandro teo rehefa nentin’ny tovovavy iray nandehandeha. Ny Alatsinainy 06 Janoary teo no hita faty nitsingevana tao amin’ny farihin’Andraikiba ny iray tamin’izy ireo ilay 11 taona raha afak’omaly Talata 07 Janoary vao maraina no hita faty nitsingevana ihany koa ilay iray 9 taona. Tsy nisy niakanjo moa ary samy nahitana ratra ny vatan’izy roavavy ireto ka mampiahiahy ny fianakaviana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanolanana izay vao novoina hoy ny loharanom-baovao. Niala sasatra tany amina Renim-pianakaviana iray izay naman’ny renin’ny iray tamin’ireo zaza moa izy ireo no izao niharan-doza izao. Ilay tovovavy nitondra azy ireo nandehandeha teny Andraikiba ihany koa voalaza fa tsy hitan’ny fianakaviana hatramin’izao. Ankoatra ny vatana mangatsiakan’izy mirahavavy kely ireto moa dia zazakely iray efa tsy nisy aina intsony koa no nisy nanary tao anaty kitapo tao amin’ny farihin’Andraikiba.
Pati
Legende : Nitelina zaza miisa 2 ity farihin’Andraikiba ity vao miandoha ny taona 2025 !
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira
Hilatsaka hatramin'ny 3°C ny marimpana ambany indrindra ao Antsirabe
Fotoana izao anovana ny rafitry ny angovo eto Madagasikara, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena,
Mitohy ny fandromban'ny mpijirika ny harem-pirenena Malagasy.