airtel

Actualités

22-déc-2022

Actualités

Faritra ambony ahiana hamono olona Hirotsaka hanao fanentanana indray ny BNGRC

Sample post image

Mbola voasokajy ho faritra mena hatrany ireo faritra ambony toerana tazanina avy etsy Anosy sy ny manodidina mandrak’ankehitriny.

22-déc-2022

Mbola manodidina ny 860 tafo eo ho eo mantsy raha kely ireo trano ahiana hirodana eny amin’iny faritra iny amin’izao fotoam-pahavaratra izao, antony tsy maintsy hanaovan’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary fidinana eny an-toerana. Hanentana ny mponina mba hitady trano izy ireo mandritra izany hisorohana ny aina mety sanatria ho hafoy. Raha tsiahivina mantsy dia efa betsaka ny ra latsaka teny amin’iny faritra ambony ity toy ny teny Tsimialonjafy, Tsarafaritra Ankadilalana. Voakasik’ity fanentanana ity ihany koa moa ny faritra Tsarafaritra Tsimbazaza, Faliarivo Ambanidia, Ambohitsoa, Ambatovinany, Ampaihibe. Ho an’ireto farany dia mahatratra 460 isa ireo trano tandindomin-doza raha mahatratra 20 tafo kosa izany eny amin’ny Faritra Tsiadana eny.
Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap