Raha araka ny loharanom-baovao azo anefa dia mbola misy tsy manaiky ihany fa manohitra io fanapahan-kevitra noraisin’ny Ministera tompon’andraikitra io ireo mpanjono any an-toerana. Mbola misy mahita trondro matavy hamidy hatao voan-dalana ihany ny sasany. Mampitandrina azy ireny ny mpitandro ny filaminana manoloana izany fa tena mahavoasazy ny fanaovana izany. Ny fanaratoana, fanjonoana, fanihifana, famandrihana am-bovo sy ny fivarotana dia voarara avokoa hoy izy ireo.Azon'ny mpiompy hatao kosa anefa ny maka raha toa ka hoataony laoka izany ka tsy mihoatra ny hohanina no alaina. Ny mba hahafahana miaro sy mikajy ireo trondro ho afaka hanatody amim-pilaminana no tanjona raha toraka izany koa ny fiarovana ireo zanany madinika. Iray volana eo ho eo io fotoam-pikatonan’ny fanjonoana trondro any amin’ny Faritra Itasy io. Marihina fa efa 20.000 Ar mahery amin’izao ny iray kilao amin’ny trondro. Asa mahavelona tsara ny fiompiana azy ireny noho izany indrindra fa ny fiarovana azy tahaka izao tsy ho lany taranaka.
Pati
Legende : Malaza amin’ny fiompiana carpe royal ny ao amin’ny Faritra Itasy
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny