Mety hahatratra 70 ka hatramin’ny 100 mm ao anatin’ny 24 ora izy io raha ny nambaran’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro, izany hoe matevitevina ihany. Ny faritra afovoany andrefana, atsimo atsinanan’ny nosy ary ny faritra sasany amin'ny afovoan-tany no tena voakasik’izany mivantana ka tafiditra ao anatin’izany ny distrikan’i Ambanja, Bealanana, Analalava, Antsohihy, Boriziny, Mampikony, Miandrivazo, Belon' i Tsiribihina, Farafangana, Vondrozo, Vangaindrano, sy ny distrika rehetra ao Boeny, Melaky, Vatovavy, Fitovinany ary Analamanga.Hiteraka fanelingelenan’ny fahitana, rano miandrona, fiakaran’ny renirano, ranotrambo, fihotsahan’ny tany izany rotsak’orana izany koa tena mila mitandrina ny mponina mipetraka amin’ny toerana marefo sy mora tondraka ary hanaraka tsy tapaka ny toromariiky ny manampahefana eny ifotony mba hisorohana ny loza mety hitranga, hoy hatrany ny sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro. Efa maro ny lalana, tapaka, lasan’ny rano, nihotsaka sy tsy azo aleha eny amin’ny lalam-pirenena.Tena fahendrena ny tsy mivezivezy aloha mandra-pisinton’ny rano. Mbola tena ahiana ny loza mantsy raha mbola hitohy hatramin’ny 26 janoary ny rotsak’orana.Aoka hitandrina sy ho mailo hatrany.
Nangonin’i RTT
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny