airtel

Actualités

19-avril-2023

Actualités

Fasan’ny Karana 2 tapitrisa Ar ny mandoro razana

Sample post image

Toa zary lamaody ny fandoroana razana ankehitriny. Tsy mijanona ho an’ireo hafa firenena monina sy mivelona

19-avril-2023

eto amintsika fotsiny izany ka efa tafiditra ihany koa isika Malagasy indrindra fa ho an’ireo efa nananafatra ny vady aman-janany na manana olana amin’ny fianakaviany. Fanadihadiana mifandraika amin’izay no ho entin’ny gazety Tia Tanindrazana aminao androany.
ORA ROA NA TELO
Maharitra ora roa na telo eo ho eo ny fandoroana razana iray etsy amin’ny Fasan’ny Karana. 2 tapitrisa Ar kosa ny sarany izay tsy hanavahana na ankizy na olon-dehibe fa mitovy avokoa. Mahalany kitay 60 isa amin’ny 1metatra isanisany milahatra eo ho eo Atoa Bonaventure sy ny ekipany rehefa mandoro razana iray ka mety mbola hiampy izany nefa mety tsy ho lany ihany koa miankina amin’ny zava-misy. Efa manana mpamatsy kitay izy ireo raha araka ny fantatra raha mahatratra 3 na 5 isan-kerinandro kosa ny razana dorana rehefa tena misy. Ankoatra ny kitay dia mila fitaovana sy kojakoja hafa toy ny angady lava izy ireo, ny plateau ary ny tavoahangy sy ny urne kely. Mety misy hidirany amin’ny resaka halatra taolam-paty moa ny fironan’ny Malagasy mankany amin’ny fandoroana razana hoy hatrany Atoa Bonaventure. Misy amin’ireny karazan’olona ireny mantsy no manana fasana malalaka saingy aleony dorana hatrany ny vatana mangatsiakan’ny vadiny na ny zanany ohatra. Iny vovoka amin’ny tavoahangy iny sisa ho an’ny sasany no hataony ao anaty vatam-paty lehibe ary hatsotrany ao am-pasana toy ireny mbola misy razana ireny ihany. Ny an’ny sasany indray vokatry ny olana misy eo aminy sy ny Ray aman-dReniny ohatra na ny iraitampo aminy ka tonga hatrany amin’ilay resaka hoe : tsy miditra am-pasan-drazana….dia aleo manafatra ny vady aman-janany mba hodorana rehefa maty.
SARY 2 & 3
MISY MANAO FAMANDRIHAN-TOERANA
Tsy ny mijery fety ihany kay na ny misakafo no hanaovan’ny olona famandrihan-toerana fa hatramin’ny fandoroana ny vatana mangatsiakany ihany koa rehefa maty izy. Betsaka ireo efa nanao izany tetsy amin’ny toerana fandoroana razana etsy amin’ny Fasan’ny Karana raha araka ny fanazavan’Atoa Bonaventure. Nisy ireo efa maty raha mbola misy ihany koa ireo velona mandehandeha any. Renim-pianakaviana iray ohatra no efa nandoa vola mba handoroana azy rehefa maty, 5 taona lasa izay. Vao mainka toy ny ela velona anefa ity Renim-pianakaviana ity hoy hatrany Atoa Bonaventure. Tsy mijanona ny manontany ity farany an-telefaonina izy noho izany raha araka ny fanadihadiana natao hatrany sao niakatra ny saran’ilay fandoroana razana ao amin’ny Fasan’ny Karana na tsia mora hanampiany ny vola efa nomaniny. Marihina moa fa mbola ity ivon-toerana etsy amin’ny Fasan’ny Karana ity ihany no mandoro razana eto Antananarivo. An’ny fikambanan’ny karana izy io raha araka ny fanadihadiana natao fa tsy an’ny fanjakana. Efa fomban-drazan’ireo karana tompony kosa ny mandoro razana tahaka izao fanaon’izy ireo izao.
SARY fasan’ny karana
ANTONTAN-TARATASY ILAINA
Toy ny mandevina ny maty rehetra ihany dia ilana antontan-taratasy avy amin’ireo ambaratongam-pahefana maro samihafa ihany koa ny mandoro razana. Raha araka ny fanazavan’Atoa Bonaventure dia anisan’ny ilaina voalohany ny taratasy fanamarinam-pahafatesana avy any amin’ny dokotera. Faharoa ny taratasin’ny BMH izay milaza ny aretina nahafaty ilay olona …ka ireo no indray miara-hoentina any amin’ny Firaisana. Ny firaisana indray aorian’izany no manome taratasy handevenana na handoroana ilay razana miankina amin’ny hafatry ny maty tamin’ireo vady aman-janany. Mbola miampy taratasy hataon’ireto farany izany indrindra raha hodorana ilay razana hanaporofoana fa tena nanafatra azy ireo tokoa ilay maty. Misy amin’ireo fianakavian’ny maty mantsy no tsy manaiky io resaka fandoroana io. Tranga iray niseho tetsy amin’ny Fasan’ny karana ohatra ny fisian’ireo fianakaviana sasany izay tsy nanaiky ny nandoroana ny havany ka voatery naverina nody ilay razana. Voatery nanaovan’ny tribonaly fitsarana vonjimaika ilay raharaha noho izany ka vita soa aman-tsara ihany ny fandorana ilay nody mandry. Izany indrindra no antom-pisian’ny polisy manatrika ny tranga tahaka ireny raha araka ny fanazavana azo. Raha vitan’ilay mana-manjo mialoha kosa anefa ny taratasy rehetra, eny hatrany amin’ny polisy raha araka ny fanazavan’Atoa Bonaventure dia miala maina ireo fianakaviana manakana na dia tsy mankasitraka izany aza.
SAFIDY, TSY MBOLA NISY NAMPATAHOTRA
Tsiahivina moa fa efa 23 taona izao no nanaovan’Atoa Bonaventure ity asa fandoroana razana etsy Anosizato ity, izany hoe : nanomboka tamin’ny taona 2000. Tsy nolovainy tamin’ireo Ray aman-dReniny izany fa tena safidiny mihitsy raha araka ny fanazavany koa na ireo vady aman-janany aza dia efa mahay io asa io ankehitriny raha efa manampy azy mihitsy ny zanany roalahy. Mpiambina teny amin’ny pavillon Analakely no asa nataony fahiny. Rehefa nahita toerana malalaka teny Anosizato anefa izy dia nisafidy ny nipetraka teo amin’io toerana fandoroana razana io ka nandritra izany no nahitany ireo karana mpiara-miasa aminy ankehitriny. Tsy mbola nisy vatana mangatsiaka iray nodorany ka nanangatra taminy raha araka ny fanazavany. Ekena hoy izy fa milaza ny fisian’ny matoatoa ny Baiboly saingy mety misy olona tiany hisehoana sy tsy tiany hisehoana angamba. Nomarihiny moa fa tokony ho zakan’ny rehetra ny mijery razana dorana. Mora mionona ny olona mahita sy manatrika ireny hoy hatrany Atoa Bonaventure noho ireo sakanana mafy tsy hijery fa hajanona any anaty fiara. Noraisiny ohatra tamin’izany ny fisian’ireo ankizikely hajanona any anaty fiara fa maty ny Reniny na ny Rainy ohatra ka hodorana. Vao mainka ranomasobe ny azy ireny hoy izy raha mivadika ho kilalao sy hafaliana indray izany rehefa avela manatrika sy mijery izy.
Pati
Legende : Izy Andrianirina Aphin Bonaventure, ilay Raim-pianakaviana mpandoro razana etsy amin’ny Fasan’ny Karana .
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap