airtel

Actualités

09-déc-2025

Fatiantoky ny ambana sy tsindry an-dranomasina

1,14 miliara dolara isan-taona

Sample post image

ho an’ny ranomasimbe Indianina

09-déc-2025

Tafakatra 1,14 miliara dolara amerikana isan-taona ny fatiantoka noho ny ambana sy loza ho an’ny toekarena manga na “économie bleue” anatin’ny morontsiraka miadadasiky ny fari-dranomasina Indianina na ny « Océan Indien Occidental ». Io tarehimarika io, izay mitovy amin’ny 5,7 % amin’ny vokatra mivaingana ao amin’ny faritra, raha ny tatitry ny fihaonambe iraisam-paritra natao tao Maurice omaly 8 desambra, nokarakarain’ny Commission économique des Nations Unies pour l’Afrique (CEA) sy ny Commission de l’océan Indien (COI). Namoahana ny tatitra 2025 momba ny tombam-bidin’ny tsy fandriampahalemana an-dranomasina, ny fanamarinana ny rafitra ara-bola maharitra ho fiarovana an-dranomasina, ary ny fanamafisana ny drafitra ho an’ny toekarena manga 2026-2030 io. Ny tatitra mitondra ny lohateny hoe “Faire vaciller le navire : l’impact socio-économique des menaces maritimes dans l’océan Indien occidental (2025)”, dia namoaka fa tombanana ho 333,8 miliara dolara ny harena an-dranomasina manontolo, ary mahatratra 20 miliara dolara isan-taona ny vokatra avy amin’ny indostria mifandray amin’ny ranomasina. Ny jono irery dia manome asa ho an’ny Afrikana Atsinanana miisa 4 tapitrisa, ary manodidina ny 90 % amin’ny varotra iraisam-pirenena afrikanina no mandalo amin’ity faritra ity. Na izany aza, mbola mitohy ny ambana. Na dia nihena aza ny asan’ny piraty taorian’ny vanim-potoana mafy ny 2010-2012, mbola mitentina 164 tapitrisa dolara isan-taona ny vola lany amin’ny fepetra fiarovana sy ny fiantohana. Ny loza ara-tontolo iainana, toy ny fiparitahan’ny solika avy amin’ny sambo MV Wakashio tamin’ny 2020, dia nanaporofo fa mety hahavery an-jatony tapitrisa dolara ny firenena amoron-tsiraka amin’ny tranga tokana. Nanamafy i Emelang Leteane avy amin’ny CEA fa “ny fiarovana no mamela ny fampandrosoana, ary ny fampandrosoana no miantoka ny fiarovana”. Nasongadin’i Edgard Razafindravahy, sekretera jeneralin’ny COI kosa ny fahalemena ara-bola amin’ireo rafitra efa misy, toy ny Centre régional de fusion de l’information maritime (RMIFC) sy ny Centre régional de coordination des opérations (RCOC). Anisan’ny tafiditra anatin’ny drafitra vaovao « Rocking the Boat 2025 » ny ady hentitra amin’ny jono tsy ara-dalàna na INN « pêche illicite, non déclarée et non réglementée ». Anisan’ny manana morontsiraka hatrany amin’ny 5000km i Madagasikara, izay azo havadika ho hery lehibe ara-toekarena, saingy mbola sahirana isika amin’ny fiarovana sy fitrandrahana azy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap