Soarindra fokontany Morarano kaominina Andoharanofotsy ny 22 Jona lasa teo. Nahitana mangana teo amin'ny kibony, raha araka ny fizahana nataon'ny tompon'andraikitra. Na izany aza mbola nampanaovina akanjo vaovao ambony ambany ity zaza tsy manan-tsiny ity raha ny vaovao azo hatrany. Efa maty ora dimy talohan'ny nahitana azy kosa ny razana raha ny fahitan'ny tompon'andraikitra azy hatrany. Rehefa natao moa ny fanadihadiana dia nisy nilaza fa ny Reniny no niaraka farany tamin'io zaza io. Nokarohana itsy voalohany ka hita soa aman-tsara ary notanana hatao famotorana. Nambaran'ny psikology iray moa fa ankoatra ny fahantrana lalina izay mampanaotao foana ny Malagasy ankehitriny dia antony manosika ny Reny hamono an-janany tahaka izao koa ny ady hatrehiny irery amin'ny famelomana sy fitaizana ilay zaza.
Pati
Légende : Ity ilay Renim-pianakaviana nahavanon-doza sy ilay trano rava nanariany ilay zaza !
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»