airtel

Actualités

14-juil-2025

Faty mikararana teny Ambohimalaza

Mampiahiahy ny fihetsiky ny Fanjakana...

Sample post image

Notsikafonin'ny fampahalalam-baovao vahiny RFI (Radio France Internationale)

14-juil-2025

tamin'ny alalan'ny mpanao gazety Pauline Le Troquier indray ny vaovaom-panjakana mikasika ny raharaha nahafaty olona marobe teny Ambohimalaza. "Tsy ampy hamaritana ny antony nahafaty ireo olona manodidina ny 27 isa ny valin’ny fitiliana natao tamin’ireo singa nalaina tamin’ny narary iray namoy ny ainy, natao tany amin’ny Institut de médecine légale de Strasbourg Frantsa, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpitsabo Frantsay azon’ny RFI", hoy io fampahalalam-baovao vahiny io. Milaza ny RFI fa io valin’ny fitiliana io dia tsy ahafahana milaza mihitsy hoe tsy "botulisme" no nitranga. Mifanohitra tanteraka amin’ny voalazan’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny 9 Jolay lasa teo. "Ny Institut de médecine légale de Strasbourg, nosafidian’ny fitondrana nanaovana ilay fitiliana ihany koa anefa dia tsy manana fahafahana hamantatra ny mety ho fisian’ny "toxine botulique" izay miteraka "botulisme", hoy hatrany ny RFI. Ity farany anefa no tena ahiana ho antony nahatonga ny fahafatesana raha ny fijery ara-pahasalamana, hoy ny fanazavana. Tsy nanome ny valiny ofisialy mahakasika izany io laboratoara io rehefa nanontanian’ny mpanao gazetin’ny RFI. Ny Fanjakana Malagasy nefa nilaza fa singa mahery vaika tsy fantatra anarana tsy fahita amin’ny sakafo no hita taorian’ny fitiliana natao tany Frantsa ary nanizingizina fa fanapoizinana niniana natao no nitranga. Namoaka vaovao mitovy amin'io ihany koa ny TV5 Monde tamin'ny alalan'ny mpanao gazety Gaël Borgia, izay naneho fa ny fisehon'ny fahavoazan'ireo olona dia fanimpanina, tsy mahita ny maso, sempotra,... izay heverina fa fomba fisehon'ny "botulisme". Nampiarahana tamin'ny fanadihadiana an'ireo havan'ny lasibatra izay nilaza hoe: "Tonga tao ny minisitra niteny hoe nalefa tany ivelany ary rehefa mivaly ny fitiliana dia ho fantatra ary hivoaka ny "antidote" dia izay tsy hita ihany ny tena marina ka misy zavatra afenimpenina ve?". Singa tamin'ny olona iray no nalefa, tsy fantatra hoe iza, tsy nampahafanyarina ny laboratoara, Ny vokatra dia tsy ahafahana miteny fa tsy "botulisme". Nilaza moa ny TV5 MONDE fa tsy nety nandray azy ny Minisitry ny fahasalamana sy ny Minisitry ny fitsarana. Tsy voatery ho marina kanefa tsy voatery ho diso ny fanadihadian'ireo fampahalalam-baovao vahiny, indrindra eo anatrehan'ny zavatra manjavozavon'ny Fanjakana. Raha haino aman-jery eto an-toerana, mety holazaina fa fanakorontanana saim-bahoaka sy Firenena ny famoaham-baovao toy izao ka hitondra fandisoana sy hitory ny RFI sy ny TV5 MONDE ve ny Fanjakana Rajoelina ? Misy zavatra hafenina ve ao anatin'ity raharaha ity ?
TENA MISY ZAVATRA TIANA HAFENINA VE?
Tsy vao izao ny vaovao vahiny no nilaza zavatra mifanohitra amin'ny ambaran'ny mpitondra, saingy tsy nisy fandisoana ofisialy. Ny 22 jona ihany koa dia efa namoaka ny RFI hoe: misy loharanom-baovaon’ny mpitsabo manohitra ny filazana fa fanapoizinana niniana natao. Ahiana ho "botulisme" fa tsy fanapoizinana natao mihitsy, raha ny petra-kevitra tamin’io. Ny "botulisme" dia vokatry ny otrikaretina ao anatin’ny sakafo tsy voatahiry tsara, izay miteraka "toxine" mahery vaika raha tapaka ny fitehirizina amin'ny alalan'ny fampangahatsiahana. Maro amin’ireo marary no maty noho ny fahasemporana lalina “Adidin’ny dokotera ny mampahafantatra ny fianakaviana sy ny marary ny tena zava-misy ‘’, hoy ny RFI. Ireo nosamborina ihany koa ve izany tsy nilaza tao anatin'ny fakana am-bavany hoe: inona marina no nanapoizinany azy raha izay tokoa? Inona no tsy ilazan'ny Fanjakana ny mety ho tena marina satria vao mainka miteraka ahiahy ny tatitra tsy tonga volana, ny fiasa tsy matihanina toy ny fitiliana tany amina laboratoara tany ivelany tsy tena nahitana ny marina? Moa tsy lasa misy endrika filalaovana aim-bahoaka ve ny zava-misy ka ny fitadiavana izay hamaharana amin'ny fihizingizinana fa fanapoizinana niniana natao no mibahan-toerana fa tsy ny fijerena ny singa namono ahafahana mitsabo araka ny tokony ho izy hanavotana ain'olona? Ahoana ny momba ny fitakian'ireo manana havana maty sy mbola marary amin'ny hoe : "mitaky ny hamoahana ny marina"? Ahoana marina ny momba ny tompom-pety izay misy manaparitaka ary ny ahiahy momba azy? Misy zavatra tiana hafenina mafy ve amin'ity raharaha ity satria tsy te ho tompon'andraikitra amin'ny fatin'olona mikararana ny Fanjakana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap