airtel

Actualités

09-janv-2024

FATY TENY ANKADITANY AMPITATAFIKA

Nahitana dian’antsy 15 isa, nalana ny ila orony

Sample post image

Lehilahy iray manodidina ny 23 taona eo ho eo raha tsiahivina no hita faty

09-janv-2024

teny Ankaditany Ampitatafika Atsimondrano ny faramparan’ny herinandro teo. Raha araka ny vaovao niparitaka dia voadonan’ny fiara izy io ary nariana teny amin’io toerana nahitana ny vatana mangatsiakany io avy eo. Nahitana dian’antsy miisa 15 ny vatany raha araka ny loharanom-baovao azo raha tsy teo intsony koa ny ila orony, vono olona tena feno habibiana tokoa. Vao 20 taona mahery anefa ny vadin’ity tovolahy ity, hoy ny vaovao . Miisa roa kosa ireo kamboty navelany ka mbola minono ny iray. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia resa-bola no namonoana ity tovolahy ity. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no afaka tena hanamarina izany koa andrasana izay mety ho tohin’ny tantara. Tamin’ny faran’ny herinandro teo ihany no nalevina ny razana.
Pati
Legende : Nahitana diana fiara teto akaikin’ity razana ity raha ny fantatra !

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap