airtel

Actualités

05-avril-2024

FELIX TOVONDRAINY, ATLETA JAMBA

Natelin’ny ranomasina, efa hita ny vatana mangatsiakany

Sample post image

Hita afak’omaly Alarobia ary alevina anio Zoma 05 Aprily ny vatana mangatsiakan’i Félix Tovondrainy,

05-avril-2024

ilay tovolahy jamba atleta Malagasy vao 21 taona rehefa natelin’ny ranomasina. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tsy hita ny Alatsinain’ny Paska teo, teo am-pilomanosana tany Andaboy Toliara ny anaolahy. Miisa 6 izy ireo no niaraka mba hiala voly kely ka ny iray tamin’izy ireo ihany no nahiratra izay avy eo anivon’ny sekolin’ny jamba ao Toliara. Tsy arak’ity farany anefa ny fiambenana azy ireo ka nilentika nandritra izany Itompokolahy. Isan’ireo nandray anjara tamin'ny taranja hazakazaka 100m ho an'ny olona Jamba izy fony fahavelony raha tsiahivina nandritra ny Lalaon'ny Nosy farany teo ary nahazo medaly volamena. Anisan’ny nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara Itompokolahy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.
Nangonin’i Pati
Legende : Itompokolahy fony fahavelony !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap