airtel

Actualités

03-mai-2023

Actualités

Feno hipoka ny ankamaroan’ny fonja eto

Sample post image

Efa tena zava-doza, miantso fepetra maika ny ONU

03-mai-2023

Mila mitady vahaolana amin’ny fivangongoan’ny olona fonjaina i Madagasikara, araka ny tatitr’ireo manam-pahaizan’ny Firenena Mikambana na ny ONU, izay nandefa iraka teto tamin’ny alalan’ny “Sous-comité” misahana ny fisorohana ny fampijaliana, nandritra ny 16-27 aprily teo. Nitsidika toerana 30 fitazonana olona nandika lalàna miisa tamin’ny toerana samihafa teto amin’ny Nosy izy ireo. “Ny fivangongoana tafahoatra ao am-ponja izay hitanay, manodidina ny 1000% amin’ny ankamaroany mitaha amin’ny tokony ho izy, dia mila fandraisana andraikitra haingana avy amin’ny manam-pahefana Malagasy”, hoy I Juan Pablo Vegas izay nitarika ny delegasionina teto. “Manoloana ny fitazonana am-ponja maro be izay olona mbola tsy voatsara fa tazonina vonjimaika ny antsasa-manila, mila manome lanja ny politikam-panasaziana sy manangana fepetra maika, toy ny fomba hafa ivelan’ny fanagadrana I Madagasikara mba hampihenana ny fivangongoana ao am-ponja izay maneho ny fepetra fitazonana mamoafady, tsy manaja ny maha olona, tsy mifanaraka amin’ny fenitra momba ny zo iraisam-pirenena”, hoy hatrany I Juan Pablo Vegas, izay nanipika fa tena mila atao laharam-pahamehana izany. Nahitana paositry ny polisy sy zandary, fonja, toeram-panarenana ireo tsy salama ara-tsaina,.. Nisy moa, araka ny tatitra, ny fanadihadiana tao anatin’ny tsy ambaratelo na fanadihadiana manokana nataony tamin’ireo olona tazonina, mpandraharahan’ny fonja, mpitandro filaminana, mpiasan’ny fahasalamana,… Nihaona ihany koa tamin’ny mpiaro ny zon’olombelona, ny manam-pahefana eo anivon’ny governemanta, antenimiera, ny fahefam-pitsarana,.. Manahy mafy amin’ny tsy fahampiana ara-tetibola ho an’ny Kaomisionina mahaleotena misahana ny zon’olombelona na CNIDH ny iraky ny Firenena Mikambana. Isan’ny politika sy fomba fiasan’ny Fanjakana Rajoelina moa ny fananganana fonja manara-penitra maromaro izay mety ho vahaolana amin’ny ampahany eo anetrahan’ny fivangongoana any am-ponja. Izany ve anefa ny vahaolana sa ny fanabeazana, ny fampandrosoana ara-toekarena, ny famoronan’asa sy ny fampiroboroboana ny fananan’asa,… mba ahafahan’ny olon-drehetra miasa sy mamokatra fa tsy hanao ratsy?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap