Manomboka amin’ny 06 ora maraina dia efa tapaka ny jiro isan’andro. Tapaka indray ora roa aorian’iny dia tahaka izay hatrany fa tsy mijanona. Ny amin’ny alina no tena mahakivy ny mponina raha araka ny fitarainana voaray hatrany. Mahatratra hatrany amin’ny adin’ny 06 mantsy izany fahatapahana izany, antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana. Betsaka arabe misampantsampana nefa eny Fenoarivo saingy vokatr’izay delestazy izay dia maizin-kitroka ny tanana. Afaka manao izay tiany hatao tsara araka izany ireo jiolahy ka anisan’ireny ny fanendahana ireo andrin-jiro vy mandeha amin’ny herin’ny masoandro izay tsy misy mirehitra intsony. Tsy lazaina intsony ny hala-botry…. Manao antso avo amin’ny JIRAMA araka izany ny mponin’i Fenoarivo. Tsy misy mahara-baovao intsony ihany koa mantsy izy ireo vokatr’izay delestazy izay. Ny tsenan’ny labozia sy ny vato aratra no tena mandehabe, fandaniana hafa mivoaka any am-paosin’ny isan-tokantrano nefa tsy maintsy aloha ihany koa ny faktioran’ny JIRAMA isam-bolana izay tsy mihena mihitsy fa vao mainka midangana aza.
Pati
Tsy manana ben’ny tanàna voafidim-bahoaka I Moramanga Renivohitr’i Bezanozano, fa ben’ny tanàna mpisolo toerana napetraky ny fanjakana no misy.
Namoahana fampitandremana sy fampiomanana tamin’ny alalan’ny filazana loza manambana ny faritra maro amin’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny reniranon’i Sisaony.
Andrasana indray moa ny fanazavan’ny tompon’andraikitra fa dia ankoatry ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra
Efa saika miomankomana amin’ny fankalazana ny fetin' ny mpifankatia indray ny rehetra amin’izao faramparan’ny volana Janoary izao.
Nivory maika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly hariva.
Niely omaly ny fisiana tranga tsy dia fahita tany Tafiankasika Ambilobe iny. Nisy mpivaro-kena iray nandeha nividy omby, nentiny tany amin'ny “abbatoire”