hoy ny Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera na FISEMARE, sy ny mety hahatrarana izany asa mendrika izany, hatreto aloha, dia tsy mbola ahitàna mangirana ho an’ny mpiasa malagasy. Hifarana ihany ity ny 3 volana voalohan’ny taona 2025, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael. Atahorana hiteraka savorovoro ny sata vaovao mifehy ny asa na «code de travail» io aza, hoy izy, satria misy andininy maromaro somary manahirana ao! Raha ataontsika hoe tokony ho miaro izany fehezan-dalàna izany dia tsy izay no fahitanay azy fa lasa mibanaka loatra mankany amin’ny fikorontanana eo anivon’ny sehatry ny asa izany. Ohatra amin’izany ny mikasika ny fifanarahana voafaritra na CDD. Misy an’izay hoe «Portage salariale» na ny mikasika ny karama izay koa ao. Endrika fifanarahana hafahafa io. Tsy mitovy amin’ny «prestataire» na hoe mpiasa indramina io fa mbola hafa koa. Tsy hiteraka fanararaotana ve izao ny fisian’ny andininy mahakasika an’io? Eo koa ny resaka fampiatoana tekinika na «chômage technique». Mbola tsy mamaly ny filàn’ny mpiasa malagasy manoloana ny zava-misy nitranga tao anatin’izay taona maro izay izany ny fanatsaràna. Tsy midika nefa izany hoe ratsy daholo ireo andininy rehetra ao fa tokony natsaraina nefa ireo andininy naha be adihevitra hatramin’izay. Tsy ho tratra eto ny asa mendrika raha io lalàna vaovao io aloha no jerena. Tsy ny «code de travail» ihany moa no fitaovana ahafahana manatratra izay asa mendrika izay fa eo koa ny sendika. Rehefa voatohitohina koa ny fahafaha-maneho hevitr’ireo sendika dia tsy ho tratra koa izany asa mendrika izany. Ny fahatelo afaka mitondra any amin’izay asa mendrika izay moa dia ny fampiharana ny fifanarahana iombonana na «convention collectif». Miezaka manakatra ny filozofia nitondràna io fehezan-dalàna io izahay izao ary rehefa vita izany dia hiezaka izahay hanatona ireo solombavambahoaka hahafahana manitsy ireo andininy maromaro ao. Misy andininy maromaro somary manahirankirana ao, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija
Ny nosy Maorisy dia nitaky ny hamerenana amin’izy ireo ny nosy Chagos
Tafintohina amin’ny fanambarana nataon’ny Governemanta frantsay, tamin’ny alalan’ny Minisitra lefitra
Ny APIPA na Sampan-draharaha fiarovana amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo
Anisan’ny fitaovana tena ilaina amin’ny resaka famonjena voina ny « drone ».
Nisy ny sabotsy teo, tetsy Ankorondrano, ny fanolorana fitaovam-piasàna ho an’ireo
Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny