airtel

Actualités

10-févr-2026

FETIN'NY MPIFANKATIA

Tena be mpivarotra ny fehezam-voninkazo voavaotra tsara

Sample post image

Mariky ny fitiavana olona iray ny fanolorana

10-févr-2026

voninkazo ho azy. Maro ireo tia sy mankafy izany dieny mbola velon'aina izy, indrindra fa eo amin'ny olon-droa mpifankatia. Na izany aza anefa dia betsaka ireo tsy mba manao izany fihetsika izany na dia amin'ny andron'ny mpifankatia aza. Izany indrindra no manosika ireo mpivaro-boninkazo eny Antaninarenina hivarotra bouquet de fleurs na fehezam-voninkazo efa voavaotra tsara. Ankoatra ny raozy midorehitra mena dia karazam-boninkazo maro samihafa no hanamboarany izany, izay manomboka amin'ny 10.000 Ar. Nambaran'ireo mpivarotra fa fanomezana lasa mahasarika olona maro ny bouquet de fleurs. Na dia mbola tsy fetin'ny mpifankatia aza mantsy tamin'ny faran'ny herinandro teo dia maro sahady ireo nanjifa sy nanolotra izany ho an'ny olon-tiany. Tsiahivina moa fa hankalazaina amin'ny Sabotsy ho avy izao ny Fetin'ny mpifankatia na ny Saint Valentin. Amin'ny ankapobeny dia fanomezana tena vidin'ny mpifankatia hifanolorana ny mofomamy, ny famantaranandro, ny lobaka, ny kapa ....saingy tsy ratsy no sady mbola manana ny lanjany koa ny voninkazo na dia raozy mena iray monja aza ka tena vokatry ny fo. Mirary soa ho an'ny mpifankatia rehetra sahady.
Pati
Légende : Santionany amin'ireo fehezam-voninkazo hamidy eny Antaninarenina !
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap