Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy dia hisy ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fandaminana ny filaminam-bahoaka. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana ireo hivoaka hanao arendrina sy hijery afomanga. Efa nisy ihany koa ny fiaraha-miasan’ny kaominina amin’ny JIRAMA amin’ny fametrahana jiro eny amin’ireo toerana nisy izany teo aloha saingy nisy nangalatra mba hahafahana manazava ny lalambe. Hosantarina amin’ny didim-poitra faobe moa ny fankalazana ny fetim-pirenena ho an’ity kaominina iray ity. Hisy ihany koa ny fizarana sakafo mafana ho an’ireo mpanala fanadinana CEPE amin’ny datin’ny 20 Jona, ny rindran-kira ara-pilazantsara ny datin’ny 24 jona, ny podium sy ny fandefasana afomanga, ho hafanain’ireo tarika malaza ny datin’ny 25 jona izay hofaranana amin’ny hira gasy goavana ny andron’ny 26 Jona.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanànan’Alasora
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny