airtel

Actualités

17-juin-2024

Actualités

FETIN’NY 26 JONA ENY FENOARIVO Efa miomana amin’ny « course kalesa » indray ny mponina

Sample post image

Efa miomankomana amin’ny course kalesa indray ny ankamaroan’ny mponina

17-juin-2024

eny Fenoarivo sy Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano eny amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Fetim-pirenena 26 Jona izao. Anisan'ny mampiavaka azy ireo raha tsiahivina kilalao iray ity izay mandeha sy mamakivaky iny lalam-pirenena voalohany iny mihitsy. Raha ankizilahy kely hatrany no heverina ho tena mpanao sy mpankafy izany amin’ny ankapobeny dia efa misy mahatratra hatrany amin’ny 40 taona ny mpandray anjara no sady mian-dahy miam-bavy mihitsy. Manomboka amin’ny 06 ora hariva eo ho eo no tena hisian’izany ny harivan’ny 25 Jona sy ny 26 Jona ary tsy mifarana raha tsy amin’ny 10 ora alina any ho any. Ny fiara tompon’ny lalana indray no mandefitra mandritra io fotoana io. Tsy vitsy amin’ireto farany rahateo no variana ka maka sisiny mijery ny fahaizan’ireo mponina eny an-toerana miangaly ny familiana kalesy.
Pati
Legende : Nameno ny arabe tahaka izao ireo mpandray anjara tamin’ny taon-dasa !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap