airtel

Actualités

21-juin-2023

Actualités

Fetin’ny fahaleovantena Nosantarina omaly ny «Podium»

Sample post image

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika omaly,

21-juin-2023

dia hisy ny «podium» miaraka amin'ireo mpanakanto maro, isan-kariva. Nanomboka omaly talata moa izany, raha tsiahivina, ary tsy hifarana raha tsy ny 25 jona 2023 izao. Manomboka amin’ny 5 ora sy sasany hariva no fotoana anaovana azy io eo Anosy anoloan'ny TVM, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Handray anjara amin’izany ry Samoela, Rajery, Ry Ikala vazo, Jackie Randria sy Njara Marcel, Rebika, Ny Ainga tafaray, Matsubara, Eusebia, Princio, Mamy be. «Malagasy miray hina, Madagasikara mandroso!» kosa no lohahevitra. Na izany na tsy izany moa dia velom-panontaniana ihany ny mpanara-baovao ankehitriny hoe aiza ho aiza amin’izao ataon’ny fitondrana ankehitriny izao moa izany no mety hitondra izay firaisankinan’ny malagasy izay? Misy ohatra mba tena maha resy lahatra omen’ny fitondram-panjakana hametrahana izany marina ve? Mety hahatongavana amin’izany ve ohatra ny nametrahana an-terisetra ny «colisée», izay kolontsaina grika no sady tsy misy ifandraisany amin’ny tantaram-pirenena malagasy ao anatin’ny rovan’Antananarivo teo aloha izay novaina tsy an-kera ho rovan’i Madagasikara ankehitriny, hoy ny filazan’ireo siantifika azy ? Hitondra ho amin’izany firaisankina izany ve ny fanagadrana sesilany ireo tsy mitovy hevitra na firehana politika amin’ny fitondrana ankehitriny ? Fa maninona moa no ireo ihany no mpanakanto namaly ny antso handray anjara amin’ity lampihazo tamin’ity indray mitoraka ity ? Fa nankaiza ireo mpanakanto tena ankafizin’ny tanora amin’izao fotoana izao sy ireo tao anatin’ny rakitsary nandaniana ny filoham-pirenena ankehitriny ? Samy maminavina ny mety ho antony sady mametraka fanontaniana ny rehetra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap