airtel

Actualités

26-déc-2024

FETIN’NY KRISMASY TETO AN-DRENIVOHITRA

Mbola betsaka ireo tazana nanao ny asany andavanandro

Sample post image

Mbola betsaka ireo tazana nanao ny asany tamin’ny andavanandro omaly Alarobia 25 Desambra

26-déc-2024

teto an-drenivohitra, fotoana nankalazana ny fetin’ny Krismasy. Lohalaharana amin’izany ireo mpivarotra amoron-dalana sy ireo mpitarika posy izay tsy mba nanana teti-bola niatrehana ny fety ny ankamaroany fa niaina toy ny mahazatra ihany. Vitsy ireo tazana nandeha nivavaka sy niara-nisakafo tamin’ny fianakaviany vokatr’izany. Mbola betsaka ihany koa ireo mpivarotra sakafo masaka tazana nanohy ny asany namonjy ireo mpivavaka vao maraina sy ireo tsy mba afaka nody nisakafo atoandro. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia fotoana fandaniam-bola ny vanim-potoanan’ny fety tahaka izao izay mbola hitohy mandrapifaran’ny taona. Tsy maintsy karohina hatrany izay tokony hiditra noho izany hahafahana miatrika ny fiainana toy ny mahazatra araka ilay fitenenana manao hoe : Ny hohanina anio, tadiavina anio. Iaraha-mahalala rahateo ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano vokatry ny fitontongan’ny sandam-bola Malagasy sy ny fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny. Ny amin’io taona vaovao 2025 io moa no tena atahoran’ny rehetra raha araka ny fanadihadiana natao indrindra fa ny mety ho fiakaran’ny vidim-bary sy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro tsy miato.
Pati
Legende : Mbola nivarotra tahaka izao ihany ireo mpivarotra tetsy Anosy !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap