airtel

Actualités

15-févr-2024

FETIN’NY MPIFANKATIA-BORIBORINTANY II

Mpifankatia 18 niroso tamin’ny fisoratana omaly

Sample post image

Nohon'ny fetin'ny mpifankatia izay nankalazaina omaly Alarobia 14 Febroary

15-févr-2024

dia nanao hetsika manokana mifandraika amin’izany ny Boriborintany fahatelo notarihin’ny delege Razafimandimby Rija Ethel. Fisoratam-panambadiana faobe no notanterahina tamin’izany ka mpifankatika miisa 18 no nifanaiky fa hiara-dia mandrakizay teo anatrehan’ireo fianakaviany sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ity Boriborintany iray ity. Andiany voalohany izy io raha araka ny fanazavana azo ary ezahin’ity Boriborintany iray ity hotohizana. Tanjona amin’izany ny mba hampanara-dalana ireo tokantrano maso rehetra. Miisa 30 moa ireo nametraka antontan-taratasy raha 18 isa kosa no nahafeno ny fepetra takiana amin'izany fisoratam-panambadiana izany. Miisa 06 moa ireo mpivady efa nanan-janaka talohan'izany fisoratam-panambadiana izany ka nampidirina ao anaty bokim-pianakaviana rehefa avy nozanahin'ny rainy tsirairay avy.
Pati
Legende : Nandritra ilay fisoratam-panambadiana omaly !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap