airtel

Actualités

18-avril-2025

Fiadidian’ny Kaominina Antananarivo

« Hitohy fa tsy ho vonjy tavanandro ny fanajariana sy fandrindrana ! »

Sample post image

Manamafy ny Fiadidian’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tarihin-dRtoa Harilala Ramanantsoa

18-avril-2025

fa mitohy ny ezaka hisian’ny fandrindrana ary tsy hijanona ho vonjimaika sy mandalo anatin’ny Fandraisana ny Fivoriamben’ny COI ihany. Misy ny fiarahana misalahy amin’ireo mpiara-miombon’antoka toa an’ireo Minisitera, ny sehatra tsy miankina samihafa,.... Mitohy ny fametrahana an’ilay hoe : « arabe ho an’ny mpandeha tongotra », ka hanakisahana ireo mpivarotra amoron-dàlana any amin’ny toerana voatokana ho azy ireo, ao anatin’ny fanajana lamina sy fahadiovana. Alamina ireo toeram-piantsonana na « parkings », hesorina ireo fiara mibahan-dàlana izay efa nandefasana fampahafantarana ireo tompony. Manomboka eny Anakely, ary hivelatra manerana an’Antananarivo ny fanajariana sy fandaminana. Nampitomboina ireo bakan-jaoridira fanampiny eny an-toerana, ka nanentanan’ny CUA ny rehetra hanaja ny fahadiovana, hanary ny fakony eny amin’ny toerana voatokana. Anisan’ireny ny fanajariana sy fanamboarana ireo zaridaina, fanatsarana ireo « ronds points », fanesorana ireo takelaka dokam-barotra tsy ara-dalàna,… hanatsarana ny tontolo an-tanan-dehibe. Misy endrika vaovao eny amin’ireo « ronds points » sy fanatsarana ireo tondro amin’ny arabe na « marquage au sol » toy ny fiampitan’ny mpandeha izay 270 teo ny fanamby ka efa miroso, efa manakaiky ny 60 na 65% ny fahavitany, araka ny tatitry ny Fiadidian’ny Kaominina. Efa vita avokoa ny eny Analakely sy ny manodidina, mitohy eny Ankorondrano izay efa misy orinasa manao,… Misy ny fanadiovana amin’ny alalan’ny fanesorana fasika, fisokirana lakan-drano, fanalana ny fako,… ka olona 300 isan’andro no ahetsika izay iaraha-mientana amin’ny Minisitera maro. Manamafy ny finiavana hitondra fanovana lehibe miainga eny Analakely sy hipaka any amin’ireo Boriborintany samihafa ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo, hoy i Harilala Ramanantsoa, niantso fiaraha-mientana ho an’ny rehetra na ireo tompon’andraikitra isaky ny Boriborintany toy ny delege, lehiben’ny fokontany, na ny daholobe mba hanaraka sy hanaja ny lamina. Miainga amin’ny fanabeazana, fanentanana, asa mivaingana sy fanohizana ny ezaka efa natomboka no nambaran’ny Fiadidian’ny Kaominina Antananarivo fa fanamby hanatrarana ny fanovana maharitra ho an’ny Renivohitra.

Manodidina ny fampiantranoana ny Fivoriamben’ny COI, dia hisy toerana vitsivitsy hataon’ny Filoham-pirenena Frantsay izay manao fitsidihana ofisialy ny 23 aprily, ka nanamafisan’i Harilala Ramanantsoa fa hisy mazava ho azy ny fepetra manokana mikasika ny fifamoivoizana. Ny 24 aprily, mety misy ny fanapahan-dàlana fa fotoana fohy ihany any amin’ireo làlana lalovan’ireo vahiny miainga amin’ny toerana misy azy hiazo ny CCI Ivato. Nanentana ny rehetra ny CUA mba hanaraka ny fandaminana, mba haneho ny fahaizana mandray vahiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap