airtel

Actualités

20-janv-2023

Actualités

Fiadidian’ny Repoblika Manome 15 andro hamerenana ireo fiarany misy mampiasa

Sample post image

Raikitra ny fitakian’ny Fiadidian’ny Repoblika ireo fiara voalaza fa azy sy misoratra aminy, saingy lasa miparitaka any amin’ireo sampan-draharaham-panjakana samihafa toy ny minisitera na rantsa-mangaikan’ny Fanjakana,

20-janv-2023

eny misy am-pelantanan’olon-tsotra izay tompon’andraikitra teo aloha aza. Niainga avy amin’ny torohay nangonin’ny Fiadidian’ny Repoblika ary nohamarinina teo amin’ny Ivon-toerana momba antontan-taratasin’ny fiara na “Centre immatriculateur” io. Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra ny alarobia teo noho izany ny fanangonana ireny fiara ireny, ka nanaovan’io andrim-panjakana io antso ho an’ireo olon-tsotra na sampan-draharaha mitazona ireo fiaran’ny Fiadidian’ny Repoblika mba hamerina izany ao anatin’ny 15 andro nanomboka tamin’ny fandraisana ny fanapahan-kevitra teo anivon’ny Filankevitry ny minisitra ny 18 janoary 2023. Eo anivon’ny “Direction de l’Infrastructure de la Logistique” izay fitaleavana eo anivon’ny Prezidansa no hanaovana ny fanaterana. Hiditra avy hatrany amin’ny fandraisana fepetra mifanandrify aminy ny Fiadidian’ny Repoblika ka haka ny fiara mba hisian’ny fitantanana ny fananam-panjakana araka ny tokony ho izy ao anatin’ny mangaraharaha tanteraka, hoy ny fampitandremana. Voafehin’ny didim-panjakana N°93-894 ny fampiasana ny fiaram-panjakana ka anisany mazava ho azy ny eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika izay andrim-panjakana voalohany eto amin’ny firenena. Fampitandremana, sazy, fampidinana laharana arak’asa, fandroahana,… no mety ho setrin’ny tsy famerenana, raha ny notaterin’ny fampahalalam-baovao iray izay nanontany mpahay lalàna. Mety hampigadra hatrany amin’ny 5 taona sy handoavana lamandy 10 800 000 Ar. Zava-dehibe ny fitakiana ny famerenana ny fiaran’ny Fiadidian’ny Repoblika na andrim-panjakana hafa : fa rahoviana vao mba hisy fe-potoana 15 andro hamerenana ny volamena 36kg nanjavona tao anaty Biraom-panjakana? Ny volan’ny coronavirus voahodinkodina ? Ny volam-panjakana hatrany amin’ny 52 miliara voahodinkodina nandritra ny 8 volana voalohan’ny 2022 sy ny maro hafa ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap