raha ny fanazavàn’ireo mpandraharaha isan-tsokajiny na madinika io na salantsalany na vaventy. Azo lazaina ho niatrika fahasahiranana goavana ireo mpandraharaha tato anatin’ny taon amaro ary isan’ny olana tao anatin’izany ny famerana ny fahafaha-manafatra entana avy any ivelany, hoy ny fanazavàna. Eo ny resaka hoe tsy mihoatran’ny 10.000 Dolara no vola azo ampiasaina amin’izay lafiny izay nefa na ny ofan’ny kaontenera hitaomana ireo entana fotsiny aza no efa 3500 Dolara fara faha morany. Na ny tetibola natao ho an’ireo mpizahantany aza, hoy ny mpandraharaha malagasy sasany, mbola mihoatra an’io 10.000 Dolara io rehefa mijery ny zava-misy any amin’ireo firenen-kafa. Nisy moa ny antso miantefa any amin’ny fitondràm-panjakàna malagasy ny amin’ny tokony hijerena izay azo atao hanalefahana izay fahafaha-manondrana sy manafatra entana any ivelany izay ho an’ireo mpandraharaha malagasy ka andrasana hatrany hatreto ny valiny mahafa-po mahakasika izany avy amin’ireo tomponandraiki-panjakàna voakasika, raha ny fampitam-baovao voaray hatreto aloha.
Nangonin’i J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.