radio voalohany noho ny fandrosoana ara-teknolojia nataon'ireo mpikaroka toa an'i Guglielmo Marconi, izay nahavita nampita hafatra amin'ny alalan'ny onjam-peo ka taany amin’ny taona 1895, no tena nahatonga ny radio ho azo ampiasaina amin’ny fifandraisana lavitra. Mbola manana ny toerany ankehitriny na ekena aza ny mety fanakonan’ny internet sy ireo zava-baovao nentiny. Manana anjara toerana lehibe amin’ny lafin-javatra maro, ka tafiditra amin’izany ny fiainam-pirenena. Teto Madagasikara, nitana anjara toerana goavana tamin’ny raharaham-pirenena, indrindra fa tamin’ireo toe-draharaha sy tolona politika, raha tsy hilaza fotsiny afa tsy ny krizy politika 1991 (niforonan'ny radio tsy miankina voalohany) ny 2002 nampahomby ny fanentanana ara-politika nampahomby ny tolona ny 13 mey, ary ny 2009 izay ny fanakatonana radio sy fahitalavitra tsy miankina aza no isan’ny lasa fitaovana nampahomby ny fanonganam-panjakana tamin’izany. Raha mandray ohatra tany vitsivitsy tany ivelany, ny Radio Freedom an-dry zareo Afrikanina Tatsimo ohatra no isan’ny fitaovana nampiasaina tany faramparan’ny taona 1980 sy tany amin’ny 1990, natao indrindra ho fitaovam-pifandraisana sy fanaparitahana vaovao ho an'ny mponina afrikanina tatsimo sy ny firenena afrikanina hafa nandritra ny fotoan’andron’ny fanavakavaham-bolonkoditra (Apartheid), ka noho ny fanenjehana nisy fotoana napetraka taty Madagasikara noho isika niaraka tamin’i Afrika Atsimo tamin’ny lafiny ara-barotra sy diplomaty no lasa iray amin'ireo toerana nametrahana azy, ka rehefa rava ny rafitra apartheid tamin’ny taona 1994 ary tonga teo amin’ny fitondrana i Nelson Mandela, dia nihena ny antony nisian’ity radio ity. Ny Radio des Mille Collines (RTLM) tany Rwanda no nandrehitra afo nanao propagandy nandritra ny fifandirana sy fandripahana foko tao Rwanda tamin'ny taona 1994. Nampiely fandaharana feno fankahalana, fanalam-baraka, ary fiantsoana herisetra, indrindra tamin'ny Hutu hanohitra ny Tutsi sy ireo Hutu tsy nitovy hevitra taminy. Maneho ireny, fa ny onjam-peo no haingana indrindra hampitana hafatra. Ho an’ny eto Madagasikara, mbola fitaovan-tserasera ahafahana nitondra nivoy serasera sy nanaparitaka foto-kevitra haingana indrindra. Ankehitriny, na eo aza ny mety fanakonana entin’ny tambajotran-tserasera, mbola azo lazaina ho manana ny toerany sy sokajiana ho matihanina ary ofisialy kokoa ny radio raha ny resaka politika sy fiainam-pirenena. Itokisan’ny olom-pirenena kokoa satria azo lazaina ho voakirakira sy matihaninana kokoa ny hevitra sy resaka na vaovao resahana amin’izy ireny amin’ny ankampobeny. Manana anjara toerana lehibe ny onjam-peo amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena amin’izao fotoana izao.
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny