Ny tranga mampiahiahy momba ny olona tsy hita popoka tato anatin’ny herinandro vitsivitsy teto Antananarivo dia niteraka ahiahy sy tahotra lalina teo anivon’ny vahoaka. Maro ny fianakaviana miaina anaty tebiteby, ny tambajotra sosialy lasa sehatra fampitandremana sy fikarohana tsy tapaka, ary maro ny olom-pirenena manova ny fiainany andavanandro noho ny tahotra raha ny fanehoan-farany nataon'i Zaza Ramandimbiarison izay manaraka akaiky ny politika sy ny fiainam-pirenena amin'ny ankapobeny
MILA MAHATSAPA HOE VOAARO
Saingy mihoatra lavitra noho ireo tranga tsirairay ireo ny tena zava-misy, hoy izy ary mampametra-panontaniana lehibe kokoa ity toe-javatra ity : Inona no hitranga amin’ny fiarahamonina iray rehefa tsy mahatsapa intsony ny olom-pirenena fa voaaron’ny Fanjakana ? Ny andraikitra voalohan’ny Fanjakana dia ny miantoka ny filaminana, ny fahamarinana ary ny fiarovana ny olom-pirenena hoy ny tohin'ny fanazavany. Rehefa mihamalemy izany andraikitra fototra izany dia mety hipoitra ny fahatsapan'ny olom-pirenena hoe nilaozana izy, ka mihena ny fitokisana eo aminy sy ny andrim-panjakana.
MAMPANAHY
Anisan’ny famantarana mampanahy indrindra ny fiparitahan’ny fitsaram-bahoaka. Rehefa misy olom-pirenena manapa-kevitra hanasazy avy hatrany ireo olona ahiahiana ho nanao heloka, dia tsy midika fotsiny izany hoe fandavana ny lalàna, fa maneho indrindra ny fahaverezan’ny finoana fa afaka mamaly haingana sy mahomby ny rafitra ara-dalàna. Kanefa, fiarahamonina iray izay manolo ny rariny amin’ny hatezerana dia miditra amin’ny lalana mampidi-doza hoy i Zaza Ramandimbiarison : mety hihemotra ny fanjakana tan-dalàna ary hanjaka ny tahotra sy ny herisetra.Noho izany, tsy tokony ho valiny ara-piarovana fotsiny no entina mamaha izao olana izao. Ilaina ny fampitomboana ny fisafoana sy ny herin’ny mpitandro filaminana, saingy tsy ampy izany.
NY TOKONY ATAO
Mila hamafisina koa ny rojo manontolon’ny fitokisana : mpitandro filaminana akaiky sy mifandray amin’ny vahoaka ; fanadihadiana haingana sy mahomby ; fitsarana mora hatonina ary atokisan’ny olom-pirenena ; fifandraisana mazava sy mangarahara avy amin’ny Fanjakana.Satria ao anatin’ny demokrasia, ny filaminana dia tsy resaka herin’ny mpitandro filaminana ihany. Resaka fitokisana ihany koa izy io hoy i Zaza Ramandimbiarison. Nambarany ary fa ny tena maika dia ny fanarenana indray ilay fifanarahana ara-moraly eo amin’ny Fanjakana sy ny vahoaka : Ny Fanjakana dia tsy maintsy miaro, mikaroka ny marina ary mampihatra ny rariny ; ny olom-pirenena kosa dia tsy maintsy afaka mino fa tena mandeha ny lalàna.
Nangonin'i RTT