airtel

Actualités

27-oct-2022

Actualités

Fiainana miha sarotra Niaka-bidy ihany koa ny fanaovana « photocopie »

Sample post image

Niakatra ihany koa ny vola aloha Tsy azo hatao intsony ny manome vola maty marika ho an’ireo olona hirahina raha hampividy na hampanao zavatra toy ny photocopie amin’izao.

27-oct-2022

Raha 100 Ar mantsy teo aloha ny manao izany amin’ny loko mainty sy fotsy ny singany iray tsy misy ambadika dia efa lasa 200 Ar ankehitriny. Raha 300 Ar kosa ilay miloko dia efa lasa 700 Ar ankehitriny izay marihina fa fiakaram-bidy tena mampitaraina ny maro tokoa. Ho ana ivon-toerana iray fanaovana photocopie etsy Anosy etsy ohatra dia nambaran’ny Renim-pianakaviana iray mitazona izany fa vokatry ny fiakaran’ny vidin’ny akora toy ny ancre… no mahatonga izany. Miakatra hatrany am-potony ihany koa ny vidin’ny taratasy fanaovana photocopie hoy hatrany izy indrindra fa nanomboka tamin’ny fidiran’ny mpianatra teo ka tsy misy azo hatao intsony. Tsy afa-manoatra anefa ireo olona mila izany indrindra ireo manan-draharaha etsy amin’ny tribonaly Anosy fa tsy maintsy manao ka ny mitaraina sisa no azony hataony. Misy mahalany hatrany amin’ny 5.000 Ar ny sasany hanaovana photocopie rehefa hikarakara dosie raha 2000 Ar no noeritreretina. Tsy misy izay tsy miaka-bidy intsony vokatr’izany ireo karazan-javatra rehetra ilaina amin’ny fiainana andavanandro, antony mampitaraina ny rehetra.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap