Tafiditra tanteraka ao anatin'ny vakansy lehibe isika ankehitriny. Tsy vitsy ireo manam-pikasana ny hitondra ny ankohonany hialakely amin'ny rotorotom-piainana noho izany na dia ao anatin'ny 5 andro monja aza. Tena mila vola anefa izany. Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy dia 1 tapitrisa Ar raha kely ny vola ilaina, karaman'ny mpivady mitambatra ao anatin'ny iray volana. Ny 700.000 Ar amin'io dia saran-dalana avokoa raha hiazo an'i Mahajanga. Efa niakatra ho 70.000 Ar mantsy izao ny saran-dalana miazo ny renivohitr'i Boeny ho an'ny olona iray. Ferana ho 15000 Ar isan'andro isan'olona ihany koa ny sakafo raha 30.000 Ar isan'andro ny hofantrano amin'ireo karazany tsotsotra. Efa mitontaly 925.000 Ar ireo. Mbola tsy tafiditra ao anatin'io mari-bola io ny fanafody raha sanatria ka tojo tsy fahasalamana tampoka eny an-dalana na any am-panaovana vakansy. Toraka izany koa ny vola hampifaliana ny ankizy raha mba te-hihinana pizza na laglasy ohatra... Tsy latsa-danja amin'izany ny trondrobe voaendy eny amoron-dranomasina sy ny ranom-boankazo. Tsy mbola tafiditra ao anatin'io ihany koa ny vola hitondrana voan-dalana...Tsy mora ny manomana Fialan-tsasatra lehibe ho an'ny ankohonana. Maro ireo tsy mba afa-mihetsika akory vokatr'izany na dia tokony hiala sasatra aza. Raha vantany vao manomboka indray mantsy ny volana Aogositra dia efa mananontanona sahady ny fidiran'ny mpianatra. Ny fiandohan'ny volana Septambra dia efa hiditra an-tsekoly indray ny ankamaroan' ireo kilonga madinika.
Pati
Légende : Tena mila vola ny fialan-tsasatra mivoaka ny renivohitra !