airtel

Actualités

13-févr-2023

Actualités

Fianakaviamben’ny polisim-pirenena Namboly zana-kazo marobe ny tao Bongolava

Sample post image

Ny alakamisy 02 febroary 2023 no notanterahina ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo tao amin'ny faritra Bongolava ka nandraisan'ny Polisy anjara mavitrika niarahana tamin'ireo sampan-draharaha maro samihafa

13-févr-2023

teny Antsapanimahazo, kaominina ambanivohitr’i Tsiroanomandidy fihaonana sy kaominina ambonivohitr’i Tsiroanomandidy. Ny sabotsy 04 febroary 2023 kosa no nanatanterahan'ny fianakaviamben'ny Polisim-pirenena miasa ao Bongolava, ny FIVAPOVA ary ny zanaky ny Polisy ny anjara birikiny tamin’izany ka zanakazo miisa 500 fototra no novoleny. Tonga maro ny polisy sy ny vady aman-janany niaraka tamin'ireo teknisiana ao amin' ny DREDD. Nofaranana tamin'ny fiaraha-misakafo sy lanonana tsotsotra tao anaty ala mahafinaritra ny lanonana. Ny Alakamisy 09 Febroary teo indray moa dia niverina teny amin'ny amin’ny toerana telo misy ny zanakazo namboleny ny polisim-pirenena tao Bongolava, zana-kazo novolena tamin’ny tany mirefy 500m tamin'ny taona 2021 . Nijery ny fivoaran'ny zanakazo izy ireo nandritra izany. Hitohy any amin’ny distrikan’Andapa ny hetsika tamin’ny 10 sy ny 11 febroary teo.
Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap