nanao fitsidihana an-tanety sy sidina an’habakabaka ny talata teo tao amin’ny distrikan’i Mitsinjo, Besalampy, Soalala ary Marovoay ny ekipan’ny BNGRC sy ireo mpanao tombana avy amin'ny sehatra samihafa mba handrefesana ny haben’ny fahasimbana nateraky ny rivodoza Fytia. Ireo distrika ireo no isan’ny tena voa mafy indrindra. Amin’ny ankapobeny kosa, distrika 30 miparitaka amin’ny faritra 9 (Boeny, Analamanga, Melaky, Sofia, Vakinankaratra, Betsiboka, Atsinanana, Alaotra Mangoro ary Itasy) no voakasiky ny rivodoza Fytia. Niverina teto Antananarivo ihany koa ireo ekipa omaly mba hamita ny fanombanana isaky ny sehatra, ho fanomanana ny valin-kafatra ara-pamonjena. Mitohy hatrany kosa ny ezaka ataon’ny manampahefana mba hanomezana fanampiana sy fitsaboana vonjy taitra ho an’ireo mponina tra-boina. Araka ny tatitra ofisialy omaly 3 febroary 2026 tamin’ny 2 ora tolakandro, namoaka vonjimaika ny BNGRC fa olona 10 no maty (1 teto Antananarivo II, 1 tany Ambato Boeny, 4 tany Soalala ary 4 tany Anjozorobe), misy olona iray mbola tsy hita ary 7 naratra. Ankoatra izany, 66 414 ny isan’ny voakasika avy amin’ny 15 467 tokantrano, ka 18 712 no voatery nafindra toerana any amin’ny 48 toerana fandraisana vonjimaika ary 5 105 kosa nampiantranoina tany amin’ny fianakaviana na ny mpifanolo-bodirindrina. Goavana ny fahasimbana ara-pitaovana : 12 023 trano no dobo, 1 408 hafa simba ary 1 829 rava tanteraka. Ao amin’ny sehatry ny fanabeazana, 98 efitra fianarana no voa tamin’ny fanesorana ampahany ny tafo, 49 hafa simba ampahany ary 44 rava tanteraka. Isan'ny mbola adihevitra mitohy ny hoe: sao dia habadika andro fahavaratra ny fotoana Fialan-tsasatra ho an'ny mpianatra satria tena maro ny sekoly simba, dobo rano,... amin'izao fahavaratra izao ary izay tsy simba misy andraisana traboina?
Toky R