airtel

Actualités

13-févr-2026

Fiantraikan’ny rivodoza

Fytia sy Gezani Namoaka 5 tapitrisa dolara

Sample post image

hanohanana olona 93 000 ny ONU

13-févr-2026

Taorian’ny fandalovan’ireo rivo-doza tropikaly nifanesy namely an’i Madagasikara, naneho fanohanana ny rafitry ny Firenena Mikambana na ny ONU tamin’ny alalan’ny famoahana vola mitentina 5 tapitrisa dolara amerikana (22,2 miliara Ar eo raha havadika vola Malagasy) avy amin’ny Fonds Central d’Urgence (CERF). Ity famatsiam-bola ity dia vokatry ny fanohanana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, ary mikendry ny hanamora ny fandraisana andraikitra maika sy ny fiomanana amin’ny loza. Ny 2 tapitrisa dolara amin’io natokana ho an’ny fiatrehana marolafy mandritra ny telo volana taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Fytia, izay mikendry olona manodidina ny 30.000 ao amin’ny faritra Boeny. Ny 3 tapitrisa dolara kosa natokana ho an’ny fiatrehana mialoha (anticipatoires), izay efa navoaka talohan’ny fahatongavan’ny rivo-doza Gezani tao Toamasina. Ireo hetsika ireo dia nanomboka ny 10 Febroary ary kasaina hitohy mandritra ny volana manaraka, hahatratra olona 93.000 araka ny « protocole » napetraka, raha ny tatitra ofisialy. Miisa 6 moa ireo « Agences des Nations Unies » nandray anjara tamin’ny famatsiam-bola, ary niasa teo ambany fitarihan’ny mpandrindra maharitra na ny « Coordonnateur résident » eto amintsika. Nambara fa ireo dia nanohana ny ezaka nataon’ny BNGRC na ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza sy ny ministera isan-tsokajiny, indrindra amin’ny lafiny fandrindrana sy famolavolana tetikasa mifandraika amin’ny loza. Tanjona ny hanamora ny fidiran’ny fanampiana amin’ireo olona voakasika indrindra, amin’ny alalan’ny fanomezana sakafo, rano fisotro madio, fitsaboana, ary fanohanana ara-tsosialy. Ny famatsiam-bola mialoha dia manamarika fivoarana lehibe amin’ny fomba fandraisana andraikitra, satria manampy amin’ny fisorohana sy fanalefahana ny voka-dratsin’ny loza alohan’ny hisehoany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap