airtel

Actualités

08-août-2022

Actualités

Fiara nirehitra teny Andohatapenaka Naneho ny alahelon’izy ireo ny mpanamory “Golf”

Sample post image

Fiarakely iray marika golf no nirehitra tampoka, ary may kila forehitra tetsy amin’ny Toby mpaninjara solika Total etsy Andohatapenaka ny sabotsy teo. Akoson’aratra na “court circuit”

08-août-2022

tampoka tao amin’ny maotera no voalaza fa antony, ka nampirehitra avy hatrany ilay fiara. Raha ny fitantarana, vao nanomboka nirehitra ilay fiara teo amin’ilay toby mpaninjara solika, dia nasain’ny “pompiste” mpiasan’ny Total nakisaka, izay lojika satria ahiana ny hiitaran’ny loza, ary tobin-tsolika izay mora mirehitra rahateo ny eo. “Navelany zareo nirehitra teo io fiara io. Rano kely fanondrahana zaridaina no mody navoaka fa hoe: tsy azo ampiasaina hono ny “extincteur”-n’ny total fa bedin’ny patron ry zareo... Efa niakatra tanteraka ny afo vo niantso ny patron…, antso avy any amin’ilay patron no nanaiky oe avohay ny “extincteur “vao navoaka, izay vao maty ny afo, efa potika ny fananan”olona. Efa maty koa ny afo tonga ry pompier”, hoy ny fanamarihana. “Dia fananan’olona sy ain’olona ve no vonjena dia nojereny mpiasany total fotsiny sady nampiana oe akisaho any io sody may aty aminay aty... Tsy mba nampalaelo anareo ve nijery azy 5 mianaka kely tsy nahavita na inona na inona tsony?? Misaotra ny Total fa raha mba nanampy ianareo tsy may ny fananan’olona... “Docteur après la mort” ny anareo! Efa potika ny fananany izao…”, hoy ny fitantara sy ny fanehoan-kevitr’ i A.R. mikasika ity tranga ity.

Naneho firaisankina tamin’ilay fianakaviana tra-doza ka may fiara ny sabotsy te omaly alahady ny fikambanan’ireo mpanamory fiara Golf.Tamin’ny alalan’ny fampanenoana kipantsona niodinkodina nanodidina ilay toby fivarotan-tsolika tetsy Andohatapenaka no nanehoan’izy ireo izany.Mampalahelo ilay tsy fanampiana ny olona hita fa efa tra-pahasahiranana kanefa ny fitaovana eo am-pelatananao, hoy izy ireo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap