airtel

Actualités

23-oct-2024

Fiaraha-miasan’i Betafo sy ny Indonezianina

Hatomboka amin’ny teknika vaovao fiompiana trondro

Sample post image

Araka ny hita tao amin'ny tranokala manokana ny Masoivoho Indonesia eto Madagasikara " Banglele Indonesia "

23-oct-2024

dia hisy ny dingana manaraka taorian'ny fitsidihana ny distrika Betafo sy ny fidinana ifotony. Araka ity matoan-dahatsoratra ity dia ho atomboka amin'ny fampiofanana mahakasika ny teknika vaovao fiompiana zana-trondro ny fiaraha-miasa mba hanatsara ny vokatra. Fiaraha-miasa lavitrezaka ny eo amin'ny distrika Betafo sy ny Masoivoho Indonesia eto Madagasikara, haharitra taona maro araka izany, hiompana amin'ny resaka fiompiana trondro sy ny fiarovana ny tontolo iainana izany. Noho izany indrindra no naha voatendry ny Solombavambahoaka Livasoa Randriatahinamalala ho Vice Président amitié Parlementaire Indonésie - Madagascar. Tsiahivina fa ny fiandohan’ity volana ity no nitsidika ny Distrikan'i Betafo ny delegasiona notarihin'ny Mpiraki-draharaha indonezianina Lanang Seputro taorian'ny adisisika nataon'ny solombavambahoaka Livasoa Randriatahinamalala nihaona tamin'ny mpiara-miombon’antoka, mpandraharaha... Ho valim-pitiana amin’ny fitokisana nomen'ny vahoakan'i Betafo azy, sy ho tombontsoa sitrahan'izy ireo. Nisy fihaonana tamin'ny tantsaha, indrindra ny mpiompy trondro. Miavaka amin’ny fananany kaoperativa ara-dalàna mpiompy trondro 300 i Betafo, eo ihany koa ny fananany ny farihin'i Tatamarina, ka nijerena ny hifampizarana traikefa, indrindra eo amin’ny lafiny fiompiana trondro no natao, ary santatra ambavarano ihany.
Toky R


 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap