airtel

Actualités

21-mars-2024

Fiaraha-miasan’ny OJM sy ny ELI

Hisitraka fiofanana teny anglisy ny mpanao gazety

Sample post image

Notanterahina teny amin’ny foibe toeran’ny ELI na English Language Institut

21-mars-2024

teny Ambatoroka omaly 20 martsa ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM sy ny ELI, izay ivon-toerana mampianatra teny vahiny. Anton’ny fiaraha-miasa ny fanofanana mpanao gazety maimainmpoana amin’ny fianarana ny teny anglisy. Mandritra ny 6 volana ny fiofanana raha ny fanazavana ary mpanao gazey 15 isaky ny andiany no hiatrika ny fiofanana. Nilaza ny filoha mpanorina ny ELI andriamatoa Amonne Landrie fa natao ho fiarovana ny tany sy ny ny teny ny finarana fiteny vahiny ka manana anjara toerana lehibe amin’izany ny mpanao gazety Malagasy. Hisy moa ny mari-pahaizana ankatoavin’ny Fanjakana rehefa vita ny fiofanana. Nomarihin’ireo mpitantana, fa efa manana ivon-toeram-panofanana sy ivon-toerana fitsapam-pahaizana ahafahana maka ny mari-pahaizana iraisam-pirenena ihany koa ny ELI. Manofana ireo ankizy sy mpianatra miomana hiatrika fifaninana na fianarana any amin’ny oniversite any ivelany miteny anglisy ihany koa ity ivon-toerana ity, raha ny fanazavana. Ho an’ny holafitry ny mpanao gazety Ramatoa Rasoloarison Monica kosa indray dia nanamafy izy fa zava-dehibe ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety matianina. Hanamora ny fikaroham-baovao ny fahafehezana ny teny angilisy ary indindra ny fiatrehana ny fihaonamben’ny mpanao gazety aty afrika izay hatao eto madagasikara amin’ity taona ity , izany dia tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny holafitra eto Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap