Tsy vitan’ny hoe ory hava-manana isika malagasy, hoy kosa ny minisitry ny mponina teo aloha efa nodimandry, Nadine Ramaroson, fa tena ratsy toetra mihitsy satria «faly havana ory». Efa tsy fiarahamonina mifamelona intsony izao no hita eto, hoy ny mpahaitantara, Hemerson Andrianetrazafy, fa fiarahamonina samy maka ho azy sy mifanambaka na koa mifamono am-pitoerana amin’ny endriny maro. Samy nahatsiaro ny fisian’izany fivarotàna savony gasy mivadika tanimanga rehefa tonga any an-trano izany ny ankamaroan’ireo efa zokinjokiny niaina ny fitondràna Ratsiraka. Taty amin’ny voalohandohan’ny taona 2000 hatramin’ny 2010 taty koa aza dia nalaza teto Antananarivo ny hoe finday tsy misy vatoaratra fa vato fisaka no ao anatiny rehefa tonga any an-trano. Efa matetika niverina teto moa ny fanazavàna ny momba ireo soatoavin’ny teo aloha na ny Ntaolo toy ny fihavanana na fifampitondràna tahakan’ny havana, izay nanaitra ny mpanara-baovao ihany ny nanaovan’ny Rodoben’ny mpanohitra na RMDM antsoavo momba izany tamin’ity herinandro ity. Ireo manam-pahaizana mihitsy nefa izany no efa miaiky ankehitriny fa very an-javona izany soatoavina izany. Ny soatoavina toy ny «atero ka alao» sy ny «valintanana» kosa anefa na endrika fifarimbonana ho an’ny fampandrosoana hafa toy ny rafitra antsoina hoe «Kianja maitso» dia tena mbola mahazo aina, indrindra, any amin’ny tontolo ambanivohitra, hoy ny filoha lefitry ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy teo aloha na CFM, Gérard Ramamimampionona. Ity farany, izay mpahaifiarahamonina ihany koa. Inona izany no azo ilazàna ny fiarahamonina malagasy ankehitriny? Fiarahamonina feno fiatsaram-belatsihy ve sa hanjakàn’ny mpamosavy malemy? Maninona no faran’ny mahantra eto ambonin’ny tany ilay firenena nefa malaza ho manana izany soatoavina voatanisa rehetra izany? Mampametra-panontaniana ihany!
Nangonin’i J. Mirija
Ny nosy Maorisy dia nitaky ny hamerenana amin’izy ireo ny nosy Chagos
Tafintohina amin’ny fanambarana nataon’ny Governemanta frantsay, tamin’ny alalan’ny Minisitra lefitra
Ny APIPA na Sampan-draharaha fiarovana amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo
Anisan’ny fitaovana tena ilaina amin’ny resaka famonjena voina ny « drone ».
Nisy ny sabotsy teo, tetsy Ankorondrano, ny fanolorana fitaovam-piasàna ho an’ireo
Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny