Raha araka ny fantatra anefa dia vao ny 34%-n’ny Malagasy amin’izao no manana trano fivoahana (WC). Lasa manao maloto etsy sy eroa avokoa ny ankamaroan’ny mponina vokatr’izany indrindra fa ny faritra iva. Any anaty tata-drano fivarinan’ny rano maloto ny sasany no manary maloto isa-maraina toy ny hita etsy Anosibe sy ny manodidina. Misy koa ireo manao izany amin’ny sachet plastika ary hariana any anaty fanariam-pako….Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana dia fantatra fa vokatry ny fahazaran-dratsy, ny fahateren’ny toerana ary ny tsy fananam-bola hananganana trano fivoahana no tena mahatonga izany . Ho an’ny any amin’ny faritra kosa dia ilay resaka fady no mbola tena vato misakana lehibe. Tsy mety ho azy ireny mantsy ny mitahiry maloto any anaty trano hany ka miparitaka etsy sy eroa ny diky. Mba ahafahana mamaha io olana io ary dia fantatra fa hanampy sy hanohana ny Ministeran’ny rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana ny UNICEF. Trano fivoahana miisa 2 hetsy sy 3 tapitrisa no fantatra fa haorin’izy ireo eto amintsika hatramin’ny taona 2032 ka sady hahazo ny any ambanivohitra no hahazo ihany koa ny eto an-drenivohitra. Tafiditra ao anatin’ny famongorana ny aretina lefakozatra mahazo ny zaza latsaky ny 5 taona ny tanjona ankoatra ny fiarovana sy fitsinjovana ny fahasalaman’ny mpiara-belona.
Pati
Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.
Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty
Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty
20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,
Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.
Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,