Ny 40%n’izy ireny raha kely no manao izany izay tsy tahotra tsy henatra intsony. Amin’ny ankapobeny dia vokatry ny fahasahiranana sy ny fanniriana te-hanana fiainana tsaratsara kokoa no manosika azy ireny fa tsy tena fitiavana loatra. Faharavana sy fahapotehana hatrany anefa no hiafaran’izany raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Nambarany mantsy fa asan-devoly ny firobohana anaty fitiavan-karena tahaka ireny fa tsy tena fitiavana vokatry ny fo. Tsy misy tsara ohatra ny fitiavana vokatry ny fo anefa hoy hatrany izy raha mbola eto an-tany na inona na inona toerana misy ny andaniny sy ny ankilany. Miantso ny tanora mba hitandrina amin’ny fiarahana amin’ny mamasaosy na papasaosy araka izany ity pastera ity mba hananana ho avy mamiratra.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny