Samy miantso fiombonana sy firaisankina ary koa fifanomezan-tanana amin’ireo mpiray tanindrazana amin’ireo faritra tena voa mafy na ny mpitondra fanjakana na ny mpanohitra manoloana izany. Ny fotoana toy izao ihany koa no anetsehana ireo fitaovana sy herivelona eto amin’ny firenena ary koa ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Manoloana ny fahasimban’ny fotodrafitrasa toy ny tetezana sy lalana, ka mahasarotra ny fifamoivoizana an-tanety dia izao no tena ilàna ny fitaovam-pitaterana anabakabaka toy ny helikôptera hanavotana ireo mpiara-belona tafahitsoka fahirano any anelanelan-tany any, toerana be rano rahateo iny atsimo atsinanana iny. Toy izany koa ny fiaramanidina amin’ny fitaterana olona hanao tantsoroka, fitaovana, fanafody ary koa sakafo. Tsaroana eto ilay fiaramanidina CASA- CN-235 nambara fa novidian’ny fanjakana Malagasy tamin’ny 03 Jona 2019 ary nigadona teto Madagasikara zoma 24 jona 2019, hita-bahoaka nandray anjara tamin’ny matso ny 26 jona 2019. Nampiasaina nitaterana fanafody tamin’ny taona voalohany nisian’ny valanaretina covid-19 teto Madagasikara. Nangingina taorian’izay. Mbola any sa nankaiza iny fiaramanidina iny, fa izao no fotoana tena ilàna azy ? Vola be an-tapitrisany euros rahateo no natontona taminy .
Jean D.
Anisan’ny tena manahirana ny tokantrano maro amin’ny ankapobeny ireo entana ilaina amin’ny fiainana
Nisolo tena an’i Madagasikara tany amin’ny Fihaonana an-tampony ho an’ny fampandrosoana ara-indostria