izay sampan-draharaha miady amin’ny famotehana tontolo iainana eto amintsika. Manana zo mihitsy ny filohan’ny repoblika ny hitaky ny fankatoavan’izy ireo ny teny nomeny manoloana ny fampihenana ny entona karbona sy ny fanomezana fanampiana ara-bola ireo firenena marefo, hoy ny INDRI. Ny olana anefa dia na efa maro aza ny asa tanteraka dia tsy dia azo itokisana i Madagasikara raha ny resaka fiarovana ny ala sy ny ady amin’ny afo no jerena, izay singa roa tena andrasan’ny sehatra iraisampirenena amintsika. Miankina amin’ny fanatanterahantsika izany anefa ny habetsahan’ny fanampiana hatolotra antsika. Tsy maintsy manaja ny teny nomeny ihany koa i Madagasikara, indrindra, momba ny fanajana ny faritra arovana, ny fambolen-kazo sy ny fanarenana ny tontolony. Nanolo-tena manokana amin’ny fanarenana 4 tapitrisa hektara moa ny nosy amin’ny taona 2030, izay teny nataony tamin’ny “Fanamby Bonn”. Zava-dehibe ireo tanjona ireo, indrindra, ho an’ny hoavin’ny mponina malagasy. Izany manko dia hanampy amin’ny famerana ny haintany ary hiantoka ho avy tsara ho an’ny 80%-n’ny mponina izay miaina any amin’ny tontolo ambanivohitra. Ny “vision Madagascar Ile Verte” dia tena azo tanterahina fa tsy maintsy arahana finiavana politika, drafitra maty paika ary arahin’asa azo tsapain-tanana, hoy hatrany ny INDRI.
J. Mirija
Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo voalaza fa tompon’ny tany izay lasa ifanolanana ao Ambondrona Nosy Be, eo anatrehan’ny fahatsapahana fanalam-baraka sy fanetrena ny voninahitr’izy ireo.
Nanomboka ny fiandohan’ny volana jona lasa teo ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona no sady fananganana ny sainam-pirenena ho an’ny isan-tokantrano ho mariky ny fiandrianam-pirenena