airtel

Actualités

17-févr-2025

Fiarovana ny mpanao gazety

Faritra miisa 6 hatreto no nananganana vovonana

Sample post image

Tontosa tamin’iny herinandro iny moa ny atrikasa ho fananganana vovonana ifanakalozana

17-févr-2025

mikasika ny tontolon’ny haino aman-jery eto Analamanga izay natao tetsy amin’ny Café de la Gare Soarano. Araka ny fanazavàn’ny tale mpanatanteraky ny Ilontsera na ilay fiarahamonim-pirenena misehatra amin’izany, Ramananarivo Mamelasoa, dia miha lalina ny elanelana amin’ny fanaovan-gazety eto Madagasikara. Lasa misy teny roa tsy afa-mifampiresaka intsony, hoy izy, ankoantran’ny fidiran’ny haino vaky jery sy ny fampitam-baovao ary serasera. Izay no antony hananganana ilay vovonana mba hahafahana mitady vahaolana iarahana satria na eo aza ny firehana politika sy fahasamihafan’ny fomba fijery dia heverina fa misy ihany ny tombontsoa iombonana afaka takiana. Isany, ohatra, ny fanatsaràna ny tontolon’ny asa, ny resaka fanofanana, ny resaka fanatsaràna ny lalàna misy sy fampidirana lalàna vaovao. Ezahana hivelatra tsy ho an’ny mpanao gazety irery fa ho ana sehatra maro ny vovonana. Isany ny fiarahamonim-pirenena sy ny tompona orinasan-gazety na ny solontenan’ny minisitera mpiahy sy ireo tomponandraikitra samihafa afaka mitondra ny anjara birikiny anatin’izany. faritra miisa 5 dia Anosy, Androy, Matsiatra ambony, Vakinankaratra, Analamanga, Atsimo atsinanana hatreto no nananganana ny vovonana. Ireo aloha no tratran’ny enti-manana. Efa manana ny vovonany ny sehatra hafa toy ny fanabeazana sy ny fahasalamàna ka heverina fa fotoana hanaovana izany dingana izany koa ankehitriny ny tontolon’ny fanaovan-gazety. Mijoro moa hatramin’ny faramparan’ny taona 2024 teo ny sampana miaro ny mpanao gazety eto Madagasikara na «Cellule de protection des journalistes à Madagascar», izay iaraha-miasa amina mpisolovava sy mpahaitoetra na «psychologue», izay heverina hitondra fanohanana ara-tsaina ao anatin’izany. maimaimpoana ny fiarovana sy fanomezana tohana ara-tsaina ny mpanao gazety anatin’izany. Mpanao gazety miisa 9 hatreto no nandefa fitarainana tao anatin’izany. Ny 3 no hita fa azo nomena izay fanohanana izay. Ny 1 tany amin’ny tribonaly, resaka fanembantsembanana sy fanakantsankanana mpanao gazety manatanteraka ny asany. Nahazo fanohanana ara-tsaina avy amin’ny mpahaitoetra daholo kosa. Ny antony tsy nahavoaray an-tanana ny momba ireo 6 dia tsy tao anaty asa fanaovan-gazety ilay tranga fa tamina sehatr’asa hafa nataony. Tsy voatery resaka mahazatra antsika fotsiny io fa ohatra hoe tsy fihetezan’ny fifandraisan’ilay mpanao gazety sy ny mpampiasa azy. Mety hoe tratry ny herisetra teny an-dalana koa. Tsy voatery hisy fitoriana fa na ilay filàna tohana ara-tsaina fotsiny aza, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap