airtel

Actualités

24-nov-2022

Actualités

Fiarovana ny sezan’ny Minisitra Ampiadiana indray ny Mpiasan’ny Jirama

Sample post image

Mihombo ny olana ao anatin’ny Orinasa Jirama. Nisy ny fanambarana nataon’ireo sendikan’ny mpiasa ny talata 22 novambra 2022 teo,

24-nov-2022

izay naneho fa tsy tokony hijabaka amin’ny raharaha anatin’ny Jirama ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Andry Ramaroson. Naneho fa tsy tokony hanilika andraikitra sy hitady izay hamaharana ny Minisitra, ary tonga hatramin’ny fitakiana filazana fa tsy handray baiko avy amin’ity minisitra ity sy mitaky ny fanalana azy moa ny raharaha. Tsy niandry ela, fa nipoitra ihany koa ireo milaza andiana mpiasa hafa naneho fa farimbona sendikaly omaly. Diso tanteraka ny filazan’ireny milaza azy ho sendika ireny fa tsy tokony hitsabaka ny Fanjakana satria orinasam-panjakana io, hoy izy ireo. Naneho fa misy sendika miady tombotsoa manokana ka mamboly savorovoro. Raha mitaky ny handraisan’ny filoha fepetra hanala ny minisitra ny andaniny, dia nilaza kosa ireto fa manohana ny ezaka ataon’ny Minisitra, ary tsy ny fanalana ity farany no vahaolana. Tranga miseho foana moa ny tahaka izao rehefa misy zavatra tsy milamina ao anaty minisitera na sampan-draharaham-panjakana, ka misy foana ny fiezahana hametraka “rapport des forces” na fifandanjan-kery mba hiarovana ilay tompon’andraikitra ambony. Toa lasa nivadika ho fampisamahana ny mpiasan’ny Jirama. Ny olan’ny delestazy tsy mety mivaha, ny jirama mbola novolena ankolafy ihany koa. Rehefa zohiana, samy tompon’andraikitra feno amin’izao ny rehetra, saingy mitady ho fifanilihana hatrany no misy raha raisina amin’ilay tenin’ny minisitra fa dia ny 70% amin’ny olana dia tsy fahafehezan’ny teknisianina ny asany, ary ny 30% avy amin’ny hasomparana. Tsy misy andraikitry ny minisitra sy ny ekipany ve satria efa manao serasera sy kisehoseho lava fa miasa, mizara jiro cobra,…? Misy ny mandetika ilay minisitra, ary misy ny najoro hiaro azy, izay midika fisamatsamahana. Na ny mamondrona sy mampiray feo ireo mpiasa mba hifantoka amin’ny ady sy fanamby goavana hatrehana dia ny fanafoanana ny delestazy aza izany toa efa tsy vita intsony. Tsy maharo tena amin’ny vokatry ny asa intsony fa efa mampiteny olona hiaro azy amin’ny sezany? Na inona na inona fanazavana sy fiarovan-tena, vahaolan’ny angovo no andrasan’ny rehetra fa tsy fifanilihana sy fifampiarovana, ka sao hoboriboriana amin’ny hoe: misy misompatra, misy mafia,… hatrany ity resaka ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap