airtel

Actualités

13-oct-2023

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA

Hiara-hiasa ny Ministera roa sy ny FAO

Sample post image

Simba tanteraka ny tontolo iainana eto amintsika.

13-oct-2023

Misy fiantraikany goavana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izany indrindra fa ny fahasalaman’ny olona. Mba ho fanarenana ny tontolo iainana ary dia nisy omaly Alakamisy ny fanaovan-tsonia ny tetikasa FOLUR izay notontosain-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa sy Atoa Charles Boliko solontenan’ny FAO eto Madagasikara sy Comores, Maurice ary Seychelles. Ny Tetikasa FOLUR raha tsiahivina dia natao indrindra hitantanana maharitra ny tontolo manodidina sy entina hampiroboroboana ny rafitra ara-tsakafo tsy manimba ala sy ny harena voajanahary izay hifantoka amin’ny fametrahana sy fanatsarana ny rohim-pihariana vary sy kafe. Tanjon’ny tetikasa FOLUR ny fanatsarana ny famokarana ny sakafo, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ambanivohitra amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fiarovana ny ala sy ny karazan-javamanan’aina. Eo koa ny famerenana amin’ny laoniny ny tontolo manodidina sy ny ala, ary ny fitantanana maharitra sy mahomby ny rohim-pihariana kafe sy vary amin’ny alalan’ny fametrahana fitantanana ny fananan-tany mahomby. Haharitra 5 taona ny fe-potaoana hiasan’ny tetikasa ary ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania, Atsimo Atsinanana ary Fitovinany sy Vatovavy no hiasany. Tokantrano maherin’ny 300. 000 no hisitraka tombotsoa amin’ity tetikasa ity. Ny ministeran’ny tontolo iainana kosa no mitarika ny fanatanterahana ny tetikasa iarahana amin’ny Ministeran’ny fambolena sy ny FAO.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia notanterahina omaly !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap