fiarovana ny tontolo iainana, amin'ny alalan'ny fandraisany anjara mavitrika amin'ny fotoam-pambolen-kazo nasionaly 2026 ny STAR. Mitondra ny anjara birikiny avokoa ireo mpiara-miasa manerana ny nosy amin’ny alalan’ireo hetsika isan-karazany. Mampiseho izany fa tsy famokarana zava-pisotro fotsiny no ifantohany fa mitsinjo ihany koa tontolo iainana. Amin'ity taona ity dia mbola mitana andraikitra lehibe anatin’izany ny MALTO, izay orinasa mivondrona anatin’ny STAR. Manana toerana famokarana zanan-kazo maoderina izy ka mamatsy zana-kazo ho an’ireo tantsaha mpiara-miombon’antoka aminy, ho an’ireo mpiara-miasa, ary ihany koa ho an’ireo mpiara-miasa amin’ny sehatra isan-karazany. Tamin'ny taona 2025, zana-kazo maherin'ny 194 000 misy karaza-kazo 48 samihafa no notsinjarain’ny MALTO. Ny 14 febroary teo kosa no natokan’ireo mpiara-miasa ao amin'ny STAR, nanatanterahana ny andro fambolen-kazo teny Andranovelona. Mpiara-miasa maherin'ny 280 no nandray anjara, ary zana-kazo maherin'ny 6 000 kosa no ambolena ao Andranovelona amin’ity taona ity. Ankoatra izay dia nandray anjara tamin’ireo hetsika ara-pambolenkazo tany amin’ny Faritra hafa ihany koa ny STAR, indrindra tao amin’ny faritr’i Menabe sy DIANA. Tao Ambatolampy kosa dia maherin’ny 12 000 ireo zana-kazo novolen’ny STAR tao amin’ny Kaominina Tsiafajavona izay efa mpiara-miombon’antoka an-taonany maro amin’ny orinasa. Tsy mizara fotoana feno hafaliana amin’ny Malagasy fotsiny ny STAR fa mandray anjara mavitrika amin'ny fiarovana ny harena voajanaharin'i Madagasikara ho an'ny taranaka ho avy ihany koa.
Pati
Légende : Nandritra ny fotoana nanaovana ny fambolenkazo !
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona